Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.
Misy moa ny sosotra avy hatrany vao maheno ilay resaka ary milaza mihitsy hoe naninona no niandrasana mandady amin’ny fahantrana mihitsy i Gasikara vao hiteny tahaka izany ny filohan’ny tetezamita ? Ohatry ny mandatsa sy mamendrofendro ny Malagasy ity farany tamin’ny famelabelarana izay nataony. Mieritreritra i Andry Rajoelina fa adinon’ny olona ny zavatra nataony tamin’ny 2009 izay nampitondra takaitra ny firenena mandrak’ankehitriny. Ekena ny tsy fahombiazan’ity fitondrana ity, izay notohanany ihany koa, amin’izao saingy ny marimarina kokoa dia mbola tarazo nentiny izao fahantrana lalina izao. 90%-n’ny Malagasy no lasa niaina tanteraka tanaty fahantrana amin’izao raha 70% tamin’ny taona 2005, marobe ireo very asa tamin’izany noho ny nafitsoky ny tetezamita ka nampitotongana ny fiainan’ny Malagasy. Tombanana ho nihena 50% ny fahantrana raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana satria nihazakazaka be ny fandrosoana, nahatratra 7 hatramin’ny 10% tamin’ny 2008, amin’izao iaraha-mahalala fa manakaiky ny laharana farany Madagasikara. Efa nahatratra 60% tamin’ny 2006, ary niakatra hatrany isan-taona, ny tahan’ny fampianarana tamin’ny ambaratonga fototra saingy taorian’ilay fanapotehan’i Andry Rajoelina dia nidina ho 30% noho ny fahaverezan’asa sy ny fahasahiranana nihatra tamin’ny ray aman-reny.Tsy nisy noresahan’i Andry Rajoelina izany tarehimarika mitotongana noho ny nataony izany fa ny nolazainy dia ny hoe mahay mitantana izy tamin’ny fotoan’androny. Mbola maro ny fahavoazana nentin’ity mpampandihy ity, tahaka ny fidanganan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa, nyfahapotehan’ny JIRAMA, ny harem-pirenena nivoaka antsokosoko tamin’izany saingy nodiany fanina.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.