Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.
Isaorana an’Andriamanitra, hoy izy, fa tontosa iny ary ny fiatrehana ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra amin’ny 2 novambra indray no dingana manaraka. Na izany aza dia nampatsiahy ny tenany fa ho vain-dohan-draharahany hatrany hatramin’izay na tsy eo amin’ny fitondrana aza ny fitondrana anjara biriky fampandrosoana ny kaominin’i Tanjombato. Rallye vaovao ataoko io, hoy izy. Zanak’i Tanjombato aho ary mahita fa manana tombony be ahafahana mampandroso azy I Tanjombato noho ny fikambanany mivantana amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ao anatin’ny firaisana fahefatra. Azo atao maodely amin’ny kaominina ambanivohitra rehetra amin’ny fampiarahana ireo fotodrafitrasa misy ao aminy amin’ny an-tanàn-dehibe. Ny sehatry ny fandriampahalemana, fampianarana, fahasalamana, indrindra ny sosialim-bahoaka koa, tena hitako ho laharam-pahamehana. Efa in-4 tompondakan’i Madagasikara amin’ny Rallye aho ary hiezaka koa mba ho voalohany I Tanjombato, hoy hatrany i Tovonen.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.