Politique

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tena mbola ilana famatsiam-bola avy any ivelany


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Mbola marefo i Madagasikara amin’ny lafiny ara-toekarena ary tena mbola miankin-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany.

 

 

Resabe fotsiny ny tamin’ny andron’ny propagandy izay nilazan’ny mpitondra ankehitriny tamin’ny fotoan’androny fa afaka miaina tsy misy fanampiana ny firenena. Amin’izao fotoana izao aza moa dia mitotototo mitady fanampiana etsy sy eroa mihitsy ny fitondram-panjakana hahatafavoahana, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo velirano sy vina izay nilokalokana tamin’ny vahoaka. Ireo mpamatsy vola mahazatra tahaka ny Tahirim-bola (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena aza dia hita ho  mahihitra ary tsy toy ny mahazatra fa mitsitapitapy ny famatsiam-bola. Raha tsy hilaza fotsiny mahakasika ny fandaharan’asa FEC (Facilité Elargie de Crédit) vatsian’ny FMI vola izay hanaovana tomban’ezaka mandrakariva. Mitovy hatrany ny fanambarana atao anefa avy eo izay manakiana ny fomba fitantanana sy ny fisian’ny kolikoly ary ny olan’ny JIRAMA sy ny sisa izay toa hita malaindaina, indrindra ankehitriny. Raha ny Banky Iraisam-pirenena indray dia ireo vola tsy maintsy omena tahaka ny mahakasika ny ezaka amin’ny aretina na ireo tetikasa fanampiana tsy maintsy atao sisa no amoaham-bola. Tsikaritra mihitsy fa malaina ireo mpamatsy vola mahazatra hatramin’ireo hafa koa. Asa na mbola takaitran’ny  fanonganam-panjakana natao na ny tsy fahampian’ny mpandresy lahatra na ireo négociateurs. Tsy maintsy hihamafy ny fitakian-ketra sy ny fampidiram-bola isan-karazany hanabontsinana  ny kitapom-bolam-panjakana. Na izany aza tena tsy maintsy mila ny famatsiambola avy any ivelany ny firenena. Amin’izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy ny mpiasa, ny mpamokatra, ny mpandraharaha madinika Malagasy no tsy maintsy hizaka ny tsy eran’ny aina atsy ho atsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT