Politique

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mila vehivavy sahy mijoro


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Zava-dehibe loatra ny anjara birikin’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana amin’ny fanasoavana faritra na ny kaominina hatramin’ny firenena misy aza, hoy ny mpandraharaha sady filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle),

 

 

 Ramatoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah. Antony nahatonga azy tapa-kevitra ny hilatsaka ben’ny tanàna tsy miankina eny Anosizato Andrefana omaly.  Anosizato vaovao sy mamiratra ary vahoaka salama no teny filamatra nentiny.  Nanambara i Mishah nandritra ny fametrahana ny antontan-taratasiny teny amin’ny OVEC 67ha omaly fa tena ilaina ny herintsaina amin’ny finiavana hampandroso ny sosialy sy ny toekarena eo amin’ny kaominina Anosizato. Tsy maintsy sahy sy mijoro aloha, hoy izy ary miainga amin’ny fampananana asan’ny tanora ny fampandrosoana. Mahantra loatra ny firenena satria maro ny tanora tsy an’asa ary hita taratra izany eny amin’ny kaominina Anosizato Andrefana iny. Izany ihany koa no antony nananganana ny fikambanana FFAM izay tena mitakosona tanteraka amin’ny tanora sy ny vehivavy.  Fikambanana izay manampy ny tanora sahirana hianatra sy manome fampiofanana maimaimpoana ireo vehivavy marefo ara-pivelomana. Saika mirona amin’ny zava-mahadomelina avokoa ny tanora rehefa tsy an’asa ka antony nananganana io fikambanana tarihin’i Mishah io.  Misy ireo karazana fikambanana ara-panatanjahantena hitaizana azy ireo. Hatreto, efa miisa 400 ny mpikambana ary ny hetahetan’ireo tanora sy vehivavy tao mihitsy no nanosika an’i Mishah hirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT