Ramatoa Nantenaina Rahagarison dia ben’ny tanàna lefitra teo anivon’ny kaominina Ambohimanambola. Maro ireo asa fampandrosoana vitany ka nangataka ny hirotsahany ho ben’ny tanana ny vahoaka.
Nitsinjo hatrany ny mponina izy ary teo anivon-dry zareo hatrany na tamin’ny fanatanterahana ny asa na tamin’ny famahana ny olana. Nametraka ny fitokisana taminy koa ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) koa dia nanendry azy tsy am-pisalasalana ho kandidan’ny antoko eny Ambohimanambola. Manana fomba fiasa maty paika izy ary hentitra amin’ny fomba fitantanana. Ny fomba fiasany mangarahara koa no nahatokisan’ireo mpamatsy vola sy orinasa eo an-toerana azy. Hita taratra izany amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny kaominina. Nanambara izy fa vonona tanteraka amin’ny fandraisana andraikitra. Ankoatra ny fianarana momba ny fitantanana norantoviny teny amin’ny sekoly ambony dia nilaza izy fa ampy ho azy ny traikefa sy ny fiofanana maro efa nataony mba hitantanany ny kaominina. Fampandrosoana ifotony miantraika amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano no tanjony. Izany hoy izy dia tratrarina amin’ny alalan’ireo drafitrasa omban-paikady izay efa hananana. Notsongaina manokana ireo ho mpanolotsaina mba tena olona avy amin’ny vahoaka ary mahalala ny filan’ny vahoaka. Miantso ireo mitovy hevitra aminy sy maniry ny hampandroso izy hiara-miasa aminy. Tsy ho vitany samirery anefa izany fa ilana ny fiaraha-mientan’ny tsirairay satria ny miasa miaraka no fahombiazana, hoy Rtoa Nantenaina Rahagarison.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.