Politique

Fampandrosoana an’Ambavahaditokana Hametraka ny dian-tanany Ramamonjisoa Zo


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Fitiavan-tanindrazana sy fitiavana manompo firenena no nandrisika ahy hirotsaka ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, hoy Rtoa Ramamonjisoa Zo,

 izay atolotry ny antoko Tia Tanindrazana. Efa ela no tao anatin’ny asa ho an’ny tanànan’Ambavahaditokana satria efa lefitry ny filoham-pokontany, mpanolotsaina kaominaly, mpitambolan’ny kaominina,… izany hoe mahalala tsara ny fampandrosoana tokony hapetraka. Vonona hijoro ho ben’ny tanàna raha sitrapon’Andriamanitra. Hetahetanay sy ny vahoaka mpiara-dia ny ho vehivavy indray no hijoro hametraka ny dian-tànany amin’ny fampandrosoana an’Ambavahaditokana, hoy izy. Ny fiaraha-mientana anaty fiarahamonina, ny fanabeazana, dia anisan’ny zavatra mahafinaritra ahy sy niainako hatramin’izay, hoy izy. Hatrany an-tokantrano ny vehivavy dia efa mahay sy mahafehy ny fandaminana, ka hoentina hivelatra amin’ny tanàna izany toy ny fahadiovan’ny tanàna, fahadiovan’ny fitantanana. Tena ilain’ny kaominina Ambavahaditokana ny fametrahana ny fandriampahalemana, fanazavana ny tanàna,… Nisy ny nanao fa misy ny tsy vita ka hotohizantsika, hoy ity renim-pianakaviana ity naneho ny fahavononany hitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana ny kaominina Ambavahaditokana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT