Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Planet M Amboarohy Alasora ny sabotsy teo ny firotsahan-dRandriantsoa Jimmy ho kandida ben’ny tanànan’Alasora sy ireo mpanolotsaina kaominaly tarihin-dRakotomalala Benjamin, izay atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM avokoa.
Nentina am-bavaka sy notsofin-drano izy ireo, izay notronin’ny mpanohana maro. Nandrisika ahy hilatsaka ho ben’ny tanàna ny fahafantarana sy ny fahatsapana, indrindra ny traikefa ananako hoenti-mamaha ny olana samihafa izay mianjady amin’ity kaominina Alasora ity, hoy i Jimmy Randriantsoa. Anisan’izany ny resaka rano, fitaterana, fampianarana, fahasalamana sy ny mahakasika ireo tantsaha, izay nijaly tao anatin’ny 3 taona noho ny tsy fidiran’ny rano avy any amin’ny tohodranon’Antangirika. Atao laharam-pahamehana ny fandriampahalemana ka hapetraka ny Borigady, hapetraka ny jiro hanazavana ny tanàna izay fanohizana ny efa nataoko ihany, hoy izy. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny tenany, izay efa nahafahana nanatanteraka ireo fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina Alasora, toy ny kaomisaria. Ny fanazavana ny tanàna, dia efa niara-niasa ary mbola vonona ny hiara-kiasa aminy ny « Electricité sans frontière » izay efa nisitrahan’ny fokontany maromaro jiro manazava ny tanàna. Mbola misy Jiro 3000 isa hapetraka amin’ireo toerana tsy misy izany, hoy izy. Tena hainy ary fantany ny hampandrosoana ny kaominina Alasora, ary izany no naharesy lahatra ny tenako amin’ny maha solombavambahoakan’Avaradrano ahy, hoy ny Depiote Andriambolaina Gerry. Miisa 5 ireo naniry ny hitondra ny lokon’ny TIM, fa i Jimmy Randriantsoa no voatsonga farany ary nifanome toky izy rehetra ireo fa hifanohana. Tsy ny ho ben’ny tanàna no nanosika fa ny hampandroso Alasora. Betsaka ny zavatra efa natao, ka hotohizana ny làlantsika, hoy ity kandida ben’ny tanàna vao erotrerony ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.