Amin`izao fotoana izao no tokony hanehoana fa tsy mahomby sy tsy mahavaha olana eto amin`ny firenena ity fitondrana Rajaonarimampianina ity. Efa miverina tan-dalàna indray vao tena mikaikaika ny vahoaka.
Hitan`ny filoham-pirenena, hono, izany fahasahiranana ary manana vahaolana amin`izany raha nambarany nandritra ny famoaboasan`ny vinany momba an`i Madagasikara ny alakamisy lasa teo teny Iavoloha. Betsaka ny fanantenana amin`ny hampandroso ny firenena fa manana ny toe-tsaina hanatanterahana izany ve ny filoha ? Raha ny lafim-pitantanana no asian-teny dia mila mahafehy fahaizana mitondra, mametraka lamin`asa, manome antoka ary mandamina ny mpitondrantsika. Raha ny teto Madagasikara dia filoha roa ihany no nanana vina naharitra sy nahay nijery lavitra dia Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc. Tamin`ny fitondran-dRatsiraka, ohatra, indrindra ny fotoam-pitondrana voalohany no nahitana tetikasa naharitra tamin`ny alalan`ny Boky Mena andiany voalohany toy ny fametrahana EPP iray isaky ny fokontany, ny fanorenana an`Andekaleka. 43 taona aty aoriana dia mbola misitraka izany ny Malagasy. Tamin`ny andron’ny Filoha Ravalomanana indray no tena nisongadina dia ny fanamboaran-dalana izay mirefy 15 000 km sy maro hafa izay tsy tambo isaina tamin`ny tetikasa MAP na Madagascar Action Plan. Ireo filoha voalaza ireo no nanana programa mazava alohan`ny nadraisan`izy ireo fitondrana tamin`izany. Matoa mbola maro ny mpanaradia azy ireo dia tsaroana tokoa fa maro ny soa azo tamin’izy ireo teo amin’ny fitondrana ary tsara ny fahaiza-mitantana. Efa mba nanao izay ho afany ihany ny fitondram-panjakana ankehitriny tamin`ny fametrahana ireo tetikasa izay nantenaina ho fanarenana ara-toekarena mandritry ny 5 taona toy ny Paikàdy natao dinan`asa na PND sy ny Paritra Malagasy zary Ohabolana na PMO. 16 miliara dolara no famatsiam-bola noeritreretina hanatanterahana izany kanefa tsy hita izay tohiny dia nipoitra indray ny hoe “Fisandratana 2030”. Sao dia mba fampiesonana fotsiny e !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.