Toe-draharaha andrasan’ny maro ny zotram-pifidianana hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2018.
Efa samy miomana amin’izany ny mpanao politika. Eo ireo mivoy ny hisian’ny fandaminana sy ny fametrahana fitsipi-pifehezana mazava aloha vao miroso ary efa mivondrona sy mivoy an’io ireo mpanao politika isan-tsokajiny, izay tsy ao anatin’ny fitondrana ny ankamaroany. Etsy an-daniny anefa dia mihazakazaka mafy mametraka ny paikady maloto hahafahany mibata fandresena ny HVM. Ankoatra ny kajy ara-politika, toy ny nametrahana an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny Antenimierandoholona, dia efa niomana ara-bola ary mbola mikaroka lalam-bola hahafahana mividy ny safidim-bahoaka, toy izay niseho tamin’ny fifidianana 2013 sy hatramin’ny naha teo azy ny fitondrana ankehitriny. Tsikaritra ho efa manao pi-maso sy mifanaraka amin’ny karana mpanefoefo maromaro ny HVM amin’izay volabe izay, hany ka manome vahana azy ireo amin’ny lafin-javatra maro. Mahazo tombondahiny amin’ny fandraharahana eto ny karana sasany ary na maro aza ny tsy manara-dalàna amin’ny zavatra ataony tsy mba voakitika firy. Ny mpandraharaha Malagasy mitady hitovy laharana na afaka milahatra na mety ho mpifaninana amin’izy ireo kosa potehina sy atao fahirano. Manaporofo izany io mahazo ny AAA Tiko io. Misy orinasa miisa 5 tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana any Antsirabe, saingy mihodina soa aman-tsara tsy voakitikitika fa ny an’ny Malagasy kosa potehina. Re fa ny karana no anisan’ny mandrisika sy sahy manome volabe ho an’ny mpitondra HVM hanapotehana ny orinasa Malagasy. Tsy maintsy manao izay haha marin-toerana azy hahafahany manjakazaka sy mifehy ny fandraharahana ataony eto Madagasikara rahateo ny vahiny, ka mila manana ny fanjakana hiaro azy. Ny mpitondra ankehitriny aloha no azony antoka ho namana sy azo hiarahana mitsikombakomba amin’ny afera, ka dia tohanany mafy hijanona amin’ny toerany na ohatrinona na ohatrinona vola ilaina. Tsy ampahafirin’ny harena haoriny eto ny volabe hampandaniana ny fitondrana ankehitriny. Misy amin’ireo mpanao politika Malagasy te hampanara-dalàna ny vahiny manjakazaka eto no tsy levon’ny vavonin’izy ireo sy atahorany ho lasa eo amin’ny familiana an’i Madagasikara, ka izay no tsy maintsy hampiasany ny herin’ny volany miaraka amin’ny fitondrana ankehitriny, izay mora vidiana rahateo ary sahy mamadika ny Malagasy mihitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.