Politique

Fampanantenana tamin’ny propagandy Aiza ho aiza ilay “Drône” sy “Puce” ho an’ny omby ?


  • Talata 07 Janoary 2020

Nampahafantarina nandritra ilay fihaonambe momba ny fandriampahalemana notanterahan’i Andry Rajoelina teny amin’ny CCI Ivato ny 29 novambra 2018, izany hoe fony izy mbola

 

 

 

 

kandida ny paikady “hhiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara.Tafiditra tao anatin’izany ny fampiasana “drône” hitsirihana ireo dahalo amin’ny toerana rehetra eto Madagasikara, indrindra fa ny faritra atsimo; nisy fotoana efa nanaovana karazana “demonstration” kely momba azy io.Miara-dalana amin’io ihany koa ny fametrahana “puce éléctronique” amin’ireo omby mba hahafahana mamantatra ny toerana misy ny omby tsirairay avy, ny 16 mey 2019 tany Tsiroanomandidy no nanaovana ny lanonana ofisialy hanombohana io tetikasa io.Janoary 2020 isika izao, tsy re feo intsony ny momba ny “drône” mpitsirika dahalo sy ny “puce” ho an’ny omby.Tsy misy tatitra ofisialy, manahirana ny mikaroka ny vaovao satria misalasala ny tompon’andraikitra hiteny, mety tsy fahadisoan’izy ireo velively fa ilay tetikasa mihitsy no mety mbola tsy misy ho tantaraina firy.Ny dadhalo anefa manao ny ataony, tsy amin’ny halatr’omby ihany fa ny fanafihana tanàna sy fandravana fananan’olona, ny fanolanana sy vono olona; tonga hatrany amin’ny fanakanana fiara eny amin’ireo lalam-pirenena.Mbola misy amin’izao fotoana ny Malagasy tsy sahy mijanona an-tanàna amin’ny alina f amatory any an’ala noho ny tahotra ny dahalo.Misy ireo andian-tafitra napetraka amina faritra mena eto amin’ny nosy, tena manao ny asany tokoa izy ireo, misy ny vokatra azo tsapain-tanana saingy hita hoe mila tosika mafy kokoa ry zareo mba hahamafy kokoa ny ady atao manohitra ny malaso.Tena ilaina ny teknolojia hanampy ny olombelona amin’ny asa ataony, efa lasa lavitra be ny teknolojia fampiasan’ny tafika maneran-tany amin’izao fotoana.Nampanantena fa hitondra an’io i Andry Rajoelina izay filoham-pirenena efa ho herintaona izao, dia mbola manantena ny rehetra fa tsy resabe nakana ny fon’ny vahoaka fotsiny ny hoe “drône” sy “puce” ho an’ny omby fa tena ho tanteraka tokoa manerana ny nosy.Ary mazava ho azy misy zavatra mila dinihana raha toa ka mikatso ilay tetikasa dia karohana ny vahaolana; efa nisy ihany mantsy ireo tompon’omby nanambara ny ahiahiny fa hoe mankarary ary mety mamono ilay omby mihitsy ny fametrahana “puce”.Izay ve no nampikatso ilay tetikasa, sa zavatra hafa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT