Mirarakopana, araka ny fomba fiteny ny fitakiana nandritra ity fitondrana tetezamita ity.
Teo ny an'ny Mpitsara, ny mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversite, ny miaramila, ny Paramed, ny mpiasan'ny ladoany sy ny tany amin'ny sehatr'asa maro samihafa. Izao dia manao randramitarika manerana ny Faritra maro ihany koa ny fitokonana ataon’ireo mpampianatra sy mpanabe amin’ny sekolim-panjakana mivondrona amin’ny sendika SEMPAMA. Amin'ny ankapobeny dia resa-bola avokoa izy ireo, na mari-karama, na tambin-karama. Koa mba hampilamina ireny fitakiana ireny dia nanaiky ny hamoaka vola foana ny fitondrana tetezamita, na dia tsy teo no ho eo aza.
Araka ny tsiliantsofina re aza, dia toa hoe misy mihitsy ny vola omena mangingina any ambadimbadika any, atao "par silence".Tsara mihitsy ny fikarohana vahaolana mba hamahana ireo krizy sy olana maro samihafa, etsy sy eroa ireo saingy ny mampiahiahy ny maro dia ny hoe : hatramin'ny rahoviana no hahita vola handaminana ireo rehetra manana olana ny fitondrana tetezamita ? Ary mba avy aiza ihany koa moa ity vola an-jatony tapitrisa ariary, zaraina etsy sy eroa ity e ? Efa hatramin'ny 2009 no manjavozavo ny vola nampiasain'ny FAT tarihan'i Andry Rajoelina. Volam-panjakana ve io aparitaka etsy sy eroa io, sa vola avy aiza ? Ny famatsiam-bola, ofisialy avy any ivelany mantsy dia tapaka avokoa nanomboka tamin'ny aprily 2009, ka avy aiza ary ireo vola be ireo ? Mazava be ny resaka fa nampiasa vola ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 ireny.
Nilaza an'izany mazava ny ampamoaka nataon'ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. Ary ny tena mampatahotra ankehitriny dia raha toa ka ny volam-panjakana no ampiasaina hamonoana afo handaminana ireo fitakiana etsy sy eroa, dia azo antoka fa ho sempotra atsy aoriana kely atsy ny fitondrana tetezamita, ary tsy hanam-bola intsony nefa milaza hanomana fifidianana, ny fanarenana ny takaitra vokatry ny rivodoza manginy fotsiny ankoatra ireo fotodrafitrasa toy ny lalana sy tetezana potika etsy sy eroa.
Dia ho avy indray ny fanambarana fa hahemotra aloha ny fifidianana, noho ny antony ara-teknika. Dia asa koa izay hiafaran'ny kitapom-bolam-panjakana raha samy hitaky fampisondrotan-karama sy tambin-karama daholo ny rehetra. Nalaza loatra mantsy ny fizarana vola teto Madagasikara nanomboka tamin'ny 2009 izay, koa mba mety samy te hahazo ny anjarany ny tsirairay avy. Tsara homarihana anefa, fa fitaovana ihany ny vola fa tsy vahaolana amin'ny zava-drehetra, ary ny fitokisana diso tafahoatra aminy dia na mampanaotao foana, na mahalasa adala !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.