Politique

Fampakarana ny vidin-tsolika sy ny Jirama “Henjana sy mafy ho an’ny vahoaka”, hoy Ralison Roger


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Taorian’ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia manomboka mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana ny mety hiakaran’ny vidin’ny solika sy ny jiro sy rano, izay samy iankinan’ny toekarena sy ny fiainana andavanandro.

 Ka ho an’Atoa Ralison Roger mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpahay toekarena ary dia mahita fa ho henjana ny fiakarana satria efa tena sahirana sy anaty krizy ny olona amin’izao fotoana. Mila mieritrerritra tsara noho izany ny fanjakana mialoha ny hanapahan-kevitra araka ny nambarany. Nomarihany tsara fa azo atao ny “subvention”, izany hoe mandoa vola fanampiny omena ireo kaompania mpandraharaha amin’ny solika ny fanjakana mba hitazonana ny vidin’ny solika tsy hiakatra, na dia mety miakatra aza ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, saingy fotoana voafetra ihany no azo hanatanterahana izany. Ho matiantoka mantsy ny fanjakana raha manao io “subvention” io maharitra, hoy ihany Ralison Roger.

Araka ny fantatra moa dia hisy ny karazana fivoriana in-droa miantoana amin’ity herinandro ity handinihana ny amin’io vidin-tsolika io. Ny fanjakana milaza fa vitan’ny fifampiresahana ny zava-drehetra ary tsy maintsy jerena ny marimaritra iraisana hahamety ny rehetra. Etsy ankilan’izay kosa anefa ireo mpandraharaha vahiny 4 amin’ny fanafarana sy fivarotana solika eto amintsika dia nilaza fa efa ho herintaona izao no tsy nampisondrotra ny vidin’ny solika izy ireo, ka tokony mba efa hodinihana amin’izay ny hanatanterahana izany amin’ity taona ity. Mahita ihany koa moa ity mpahay toekarena ity fa be masonkarena be loatra, ka tsy vahaolana mahomby ny nanofana ireo milina nambara fa afaka mampihena sy manafoana ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsara homarihana fa mihodina amin’ny alalan’ny solika ireto milina ireto. Tokony ho nikaroka hevitra hafa ny fanjakana, hoy Atoa Ralison Roger fa tsy niditra tamina zavatra hamoahana volam-panjakana betsaka tahaka izao kanefa ny delestazy aza, misy isan’andro ihany any amin’ny faritra sasany eto Antananarivo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT