Politique

Famotsoran-keloka Tonga omaly ireo teknisianin’ny SADC


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Vita hatreo ny fandanian’andro sy ny fandrirarirana amin’ny fandinihana ity resaka famotsoran-keloka ity, fa dia tsy maintsy hirosoana izy io manomboka izao.

 Tonga eto omaly ireo teknisianin’ny SADC hifanome tanana amin’ny fandrafetana azy io, mialoha lalana an’i Marius Fransman, lehiben’ny iraky ny Troika-SADC manao ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy. Taratasy nalefan’ny FAT niantso fanomezan-tanana avy amin’ny SADC no ahatongavan’ireto teknisianina ireto. Midika io, fa tsy azo ihodivirana ny famotsoran-keloka (faobe). Tsy te haka andraikitra mivantana ho amin’izany anefa ny FAT ka dia hialokaloka ao ambadiky ny SADC, dia hilaza avy eo fa izay no fanapahan-kevitry ny iraisam-pirenena ka tsy maintsy tanterahina. Teo anivon’ny governemanta dia nisy ny firesahana ny hananganana filankevitry ny manampahaizana manokana (experts) Malagasy, momba ny lalàna, handrafitra ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka io, izay nankinina tamin’ny minisitry ny fitsarana ny famoriana azy ireo saingy tsy nety tanteraka, no izao tonga izao ny teknisianin’ny SADC. Andrasana, araka izany, ny vokatry ny asan’izy ireo, miaraka amin’ny komity iraisana ho fampiharana ny tondrozotra eo anivon’ny governemanta Beriziky.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT