Politique

Famotsoran-keloka Terena an-kolaka


  • Zoma 06 Aprily 2012

Maromaro ihany ireo tranga tsikaritra fa hafahafa sy mampanontany tena tato anatin'izao krizy mahazo antsika izao, anisan'izany ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Raha ny tena marina dia afaka mody malalaka eto Madagasikara izy, ary afaka manao politika tsara. Miantoka izany fahalalahany izany ny andininy faha-16 sy faha-20 ao amin'ny tondrozotra, izay raha fintinina dia milaza fa foanana avokoa ireo fanenjehana ara-pitsarana natao tamin'ny mpanohitra ny FAT ka manana endrika politika, ary avela mody an-kalalahana eto Madagasikara ireo sesitany politika. Niadian-kevitra be mihitsy izy io, ary mbola mampifandrirotra hatramin'izao. Ny somary mahagaga amin'ity raharaha ity dia ny filazan'ny SADC hatramin'ny janoary 2012 lasa teo fa azo atao tsara mihitsy ny manome famotsoran-keloka an'ity filoha teo aloha ity. Izy tenany anefa dia milaza fa tsy mila izany satria tsy nanao ratsy, tsy meloka ary tsy ara-dalàna ny fitsarana nitsara azy. Maro amin'ireo mpanara-baovao politika no mahita fa tahaka ny terena homena famotsoran-keloka, izany ity filoha teo aloha ity, ka rehefa manaiky izany, izay vao afaka mody eto Madagasikara.

Midika anefa izany fa dia manaiky ny fiampangana azy izany ingahy Ravalomanana, ary dia fafana amin'ny alalan'ny famotsoran-keloka ny heloka vitany avy eo. Vao tamin'ity herinandro ity ry zareo ao amin'ny SADC no nampatsiahy indray fa azo omena famotsoran-keloka ity filoha teo aloha ity, ka izay no manomboka miteraka adihevitra indray ankehitriny. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : inona no fonosin'ity fanerena an-kolaka an'i Marc Ravalomanana hanaiky homena famotsoran-keloka ity ? Misy ambadika politika ve izany sa izay ilay marimaritra iraisan'ny rehetra ? Inona no mety ho vokatr'izany amin'Atoa Ravalomanana manokana, eo amin'ny tontolo politika sy ny sehatra iraisam-pirenena ? Ary ny tena mahalasa fisainana ny maro dia ny hoe : hanaiky izany ve ity filoha teo aloha ity ? Ary raha toa ka tsy manaiky ny ho anisan'ireo mahazo famotsoran-keloka izy, dia mbola azo eritreretina ihany ve ny hahatafaverina azy eto Madagasikara sy hanaovany politika ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT