Politique

Famotsoran-keloka Nodinihan'ny governemanta anio


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Hisy ny filankevitry ny governemanta tsy ara-potoana, hotanterahana eny Mahazoarivo amin'ity alatsinainy ity handinihana indrindra ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, taorian'ireo tolo-kevitra maro samihafa voaray.

 Eo ihany koa moa ilay karazana volavolan-dalàna avy amin'ny SADC, izay efa any am-pelatanan'ireo manampahaizana malagasy. Rahampitso talata kosa dia hisy ny filankevitry ny minisitra manokana hotarihan'ny filohan'ny tetezamita mba handaniana io volavolan-dalàna io. Rehefa tanteraka izay dia hatolotra ny Parlemanta amin'izay ilay izy. Dia ao indray no miainga ny adihevitra, ka mety mbola hisy ny fanitsiana. Midika izany fa hifantoka amin'ity resaka famotsoran-keloka ity indray ny resaka ara-politika amin'ity herinandro ity, ary tena miandry an'io ny tohin'ny famahana ny krizy. Ny ministeran'ny fitsarana moa dia efa elaela ihany no nanana volavolan-dalàna lasitra momba ity famotsoran-keloka ity. Araka ny fantatra anefa dia niteraka adihevitra be teo anivon'ny governemanta izy io, ary sarotra nahitana marimaritra iraisana. Natao indray ny karazana fakan-kevitra, niditra an-sehatra nanazava ny tondrozotra sy ny maha zava-dehibe ny hametrahana ny fitoniana ny SADC, nanolotra ilay “mémorandum” tany amin'ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra, ka ho hita eo indray izay ho fivoakany, na hotanterahana ihany ilay famotsoran-keloka faobe, na famotsoran-keloka misy sivana sy fanavahana no ampiharina.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT