Politique

Famotsoran-keloka Nihemotra tamin’ny teniny ny SADC ?


  • Zoma 24 Febroary 2012

Omaly alakamisy 23 febroary no nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asany ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto Madagasikara izay tarihan’Atoa Tanki Natae, ka eny amin’ny trano be Assist Ivandry no misy ny foibeny.

 Teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy moa no nanaterany ny taratasy ofisialy manendry azy amin’izany andraikitra izany. Nandrira io fotoana omaly io ihany koa no nanambaran’ity solontenan’ny SADC eto amintsika ity, fa tsy hoe fe-potoana hentitra tsy maintsy hajaina tsy akory ilay 29 febroary, nambara tany am-boalohany fa tsy maintsy hahavitan’ny fampiharana ny famotsoran-keloka. Notsipihany mazava fa ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra no tena zava-dehibe, ary dia manentana ireo rehetra nanasonia ny tondrozotra mba hanao izay hanatanterahana azy amin’ny ambongadiny moa ity solontenan’ny SADC eto amintsika ity.

Mazava izany ny resaka eto fa dia nihemotra tamin’ny fanambarany ny amin’ny tsy maintsy hanajana ny datin’ny 29 febroary 2012 mba hampiharana ny famotsoran-keloka ny SADC ary mbola manome fe-potoana tsy voafetra ny fitondrana tetezamita handinihana sy hiadian-kevitra ary handaniana io volavolan-dalàna io. Mifandraika amin’ny fanirian’ny vondron’olona maro, mba hanokanana fotoana bebe kokoa handinihana tsara ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka moa izany rehetra izany, koa dia manantena ny maro fa zavatra matotra no hofidiana eny amin’ny parlemanta, ary tena ho fanombohana ny fampihavanam-pirenena tokoa io famotsoran-keloka io fa tsy sanatria hampisavoritaka indray !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT