Hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo manomboka rahampitso talata 14 febroary ny Parlemantan’ny tetezamita handinika ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana.
. Efa lany teny anivon'ny Kongresin'ny moa izy io, saingy kosa tsy mbola neken'ny CST. Haharitra 12 andro farafahelany ity fivoriana ity. Tsara homarihana fa hatramin'izao dia tsy mbola tsy misy resaka ny amin'ny famotsoran-keloka. Mbola am-perinasa ilay Comité ad'hoc eo anivon'ny governemanta hatramin'izao ary henjankenjana ihany ny adihevitra araka ny fantatra satria ankolafy maro samihafa no ao anatiny. Miditra amin'ny fisasahan'ny volana febroary isika amin'izao fotoana kanefa dia mbola mikatso izany aloha ity resaka famotsoran-keloka ity izay eny amin'ny CT Tsimbazaza no tokony handalovany voalohany, lany ao ilay izy, izay vao miakatra eny amin'ny CST indray. Raha ny fanambaran'ny minisitry ny fitsarana sy ny praiminisitra moa dia mety tsy ho tratra ny datin'ny 29 febroary hamoahana ny famotsoran-keloka, noho ny lafiny teknika.
Mitovy hevitra amin'izay ihany koa ireo olon'ny ankolafy Rajoelina efa nahazo seza ka tsy maika amin'izany resaka izany. Araka ny fandinihan'ny maro azy koa, dia antony iray mampikatso ity fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka ity ny fitsivalanan'ny mpitondra FAT ny amin'ny hiverenan'Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Tsy misy antony tokony hanakanana ny fodiany intsony mantsy raha toa ka mihatra ny famotsoran-keloka. Tsy azo eritreretina intsony koa amin'izay fotoana izay ny hoe hisamborana azy, satria hiteraka savorovoro sy korontana izany ary tsy hametraka mihitsy ny fitoniana takiana, mialoha ny irosoana amin'ny fifidianana. Mandeha ihany koa ny resaka fa tena misy mihitsy ny vondron'olona manao izay rehetra azo atao hampandamoka ny fampiharana ny tondrozotra, amin'izay mantsy tsy voaresaka intsony ny hoe famotsoran-keloka sy fodian'ireo sesitany, ary mety ho foana hatreo ihany koa ny fiaraha-mitantana ary dia hanjaka tokana ny FAT sy ny mpiara-dia aminy. Izany no tanjona any ambadibadika any, ary efa manomboka miseho tsimoramora ireo olona manao izany, izay tsy te hahalala izany hoe fitoniana sy fandeferana izany fa dia misetrasetra sy manao teny mahery etsy sy eroa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.