Politique

Famotsoran-keloka Hodinihan'ny governemanta fanindroany anio


  • Talata 06 Martsa 2012

Hodinihana fanindroany mandritra ny filankevitry ny governemanta amin'ity anio ity ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay Komitim-pirenena momba ny fampihavanana.

 Dingana tsy maintsy arahana amin'ny fametrahana ny fitoniana eto amin'ny firenena moa ireo fepetra roa ireo, ary voalazan'ny tondrozotra. Efa nandalo teo amin'ny filankevitry ny governemanta moa tamin'ny herinandro lasa teo ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, saingy mbola nisy ny fikitihana sy fanovana azy. Samy nandinika ilay izy ny minisitra tsirairay tao anatin'izay herinandro izay, ka fanoratana vaovao mihitsy no mety hatao fa tsy tahaka ilay endriny avy any amin'ny ministeran'ny fitsarana. Azo antoka fa hisy indray amin'ny herinandro ambony io ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Parlemanta ho fandinihana ity resaka famotsoran-keloka ity, satria efa vita ny fananganana ny CENIT dia tsy maintsy irosoana indray ny famotsoran-keloka. Ao anatin'ny fametrahana ny fitoniana izany rehetra izany, tsikaritry ny mpanara-baovao ihany koa fa efa elaela izay tsy naneho hevitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary tsy re feo intsony koa ny amiraly any Frantsa any. Nangina tahaka izany koa ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina.

Maro no mieritreritra fa mety nahazo toromarika avy amin'ny mpanelanelana tarihan'ny SADC ireto filohana ankolafy ireto mba tsy hiteny sy tsy haneho hevitra mandra-pahavitan'ny fandinihana sy fandaniana ny famotsoran-keloka, mba tena hisian'ny fitoniana tokoa ary hialana amin'ny fifandranitana eo amin'ny tontolo politika. Rehefa voadiniky ny filankevitry ny governemanta sy nankatoaviny ity volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka ity, dia hiakatra eo anivon'ny filankevitry ny minisitra indray rahampitso. Heverina ihany koa fa aorian'ny fahavitan'ny fandaniana io volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka io, vao ho fantatra indray ny daty mety hodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT