Maro an’isa eny amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ny olon’ny antoko TGV sy ny UDR-C manohana an’i Andry Rajoelina, koa azo antoka fa hampiasa ny heriny sy izay hamaroan'isa izay izy ireo amin’ny adihevitra momba ny famotsoran-keloka sy ny fandaniana azy.
Efa nanomana ny sain’ny rehetra ihany ireo fanehoan-kevitra tato anatin’ny iray volana, nataon’ireo parlemantera TGV sy ny UDR-C. Maromaro koa ny fivoriana efa nataon’izy ireo, nampitoviana ny tadin-dokanga ary efa mazava ny toromarika. Tsy hahita rirany amin’ity resaka ity mihitsy ireo mpifanandrina politika amin’i Andry Rajoelina fa dia didin’ny be sandry no hitranga eny amin’ny Parlemanta eny. Izay be no basy. Efa mazava be ny fanasana atidoha natao teto hatramin’izay fa dia nambara fa mpamono olona, mpanitsakitsaka ny zon’olombelona ary mpangalatra volam-panjakana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mbola teny an-kianjan’ny 13 mey ry Andry Rajoelina dia efa sahy nanambara ry Razanamahasoa Christine fa namoaka didy fampisamborana an’i Marc Ravalomanana.
Tsy gaga ny rehetra rehefa nandrombaka fahefana izy ireo, fa dia nanamafy ny teny an-kianja, ka nanao izay nanamelohana ankitsirano ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ary ankehitriny dia hirahira sy tsianjerin’ireo mpanao politika manodidina an’i Andry Rajoelina, fa dia tsy mahazo famotsoran-keloka. Raha ny tena marina anefa dia didim-pitsarana tsy mbola raikitra na tena izy no navoaka momba ity filoha teo aloha ity, tsy fitsarana mahefa hitsara azy ihany koa no nandray an-tanana ny raharaha, ary tsy azo antoka tanteraka ny tsy fitanilan’ny mpitsara tamin’ny famoahana ny didy. Fa somary mahazendana ihany koa ny finiavan-dry Andry Rajoelina hanadino na hamafa tsotra izao ny zava-nitranga tamin’ny 2009. Teo ny fandrobana tamin’ny 26 janoary 2009, izay nitarika fahapotehana sy fahafatesana olona maro be tokoa, ary mihoatra noho ny maty tamin’ny 7 febroary io taona io ihany. Tsy zavatra tongatonga ho azy ireny fa efa nanaraka planina mazava, izany hoe nisy atidoha nikotrika. Tao ny mpitarika sy mpanatanteraka, fa nandray kitapo latsaka kosa ny vahoaka. Dia ahoana izany ny momba ireny ?
Tsimatimanota araka ny fomba fiteny izany ny tompon’antoka tamin’ireny ? Aiza ny fanokafana fanadihadiana nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hatao ny 27 janoary 2009 ? Sa ve misy Malagasy maty, ka hanokanana andro manokana sy hananganana tsangambato hahatsiarovana azy, fa misy kosa ireo maty tsy raharahaina sy tsy asiana hasiny ? Nalaza teto koa tamin’ny febroary 2009 ny famakiana ministera. Ireo minisitra FAT notendrena teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, toa an-dry Rakotomihantarizaka Organès, Razafimanazato Julien, Masimana Manantsoa ...
Dia ahoana koa ny amin’ireny, avela amin’izao sy hodiana fanina ve ? Olona mamaky tranom-panjakana no atao tompon’andrakitra ambony eto amin’ny firenena, koa tsy mahagaga raha miha mahantra ny Malagasy. Fa zovy no tsy mahalala fa nisy ny fizarana basy tamin’ny olon-tsotra, tany ambadibadika tany tamin’ireny fitokonana natao teto Antananarivo tamin’ny 2009 ireny ? Moa va tsy izany no fototra niaingan’ny tsy fandriampahalemana mampandry tsy lavo loha ny Malagasy ankehitriny io ? Olona tsy fantatra no omena fitaovam-piadiana dia manita-tsaina izy aty aoriana dia io mirongatra io ny asan-jiolahy satria tsimatimanota. Ankehitriny, misy amin’ireo olona nitarika savorovoro sy korontana tamin’ny 2009 ireo no miseho manome lesona amin’ny resaka famotsoran-keloka, ary manao izay fomba rehetra handetehana ny hafa. Tsy izany ve ny hoe didin’ny be sandry sy fitondran’ankolafy tokana e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.