Politique

Famotehana tamin’ny 2009 Tsy tafarina ny toekaren’ny firenena hatreto


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

26 janoary 2009 – 26 janoary 2020 ! feno 11 taona omaly ny famotehana sy fandorana ny fananam-pirenena sy ny orinasa Malagasy maro nataon’ny sasany.

 

 

Manan-tantara ary tsy maty intsony ny datin’ny 26 janoary izay tonga hatramin’ny fihanihan-dapa ny 07 febroary 2009. Tsy tambo isaina ny voka-dratsy sy ny takaitra naterak’izany tamin’ny lafiny rehetra. Raha ny teo amin’ny sehatra ara-toekarena dia niantraika mivantana tamin’ny tokantrano Malagasy maro be ny fanapahana ny fifanarahana nisy tamin’ny Vondron’ny orinasa afaka haba AGOA(African Growth and Opportunity Act) izay namela malalaka ny zavatra vokarintsika ho any amin’ny tsena amerikanina. Tsy maintsy averina ny tantara satria noho ny fanonganam-panjakana nisy tamin’izany dia notapahana ny fifanarahana. Maro be ny very asa, tsy vitsy ireo vehivavy Malagasy nanomboka nivaro-tena na dia tsy nieritreritra mihitsy ny ho tonga tamin’izany aza ny fitondran-tenany sy ny fiainana. Nirohotra ny tanora lasa nivangabao, namaky trano sy nangalatra ary nirona tamin’ny fandraisana ny zava-mahadomelina.  Raha mandray kaonty ambany dia tombanana ho 378 miliara Ariary ny fahavoazan’ny orinasa TIKO narahin’ny fahaverezan’asa ho an’ny Malagasy marobe. Ankoatr’io orinasa izay tena voa mafy io dia maro ihany koa ireo nikatona noho ny fandrobana nisy. Hatreto aza moa dia tsy misy ny fijerena manokana ireny orinasa nopotehin’ny sasany ory hava-manana ireny. Ekena fa nisy ny fanaovana fanelanelanana nataon’ny vondrona Afrikanina SADC ary nisy ny vola be nampiasaina tamin’izany saingy tsy nisy akony aty amin’ireo orinasa simba potika. Fatiantoka iray lavaka ary vola be no lasa lavenona noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. Tamin’izany dia efa nipetraka ny fanontaniana hoe mbola firy taona indray vao hiarina ny orinasa sy ny toekarena Malagasy ? Afa-po tokoa ve ireo olona rehetra niara-nisalahy sy nankasitraka ireny fihetsika mamoafady sy tsy fampiseho masoandro nisy tamin’ny fotoan’androny ireny ? Tafavoaka ary nivoatra marina ve ny toekarena ka tena nitombina tokoa ny nampiasana hery nandrodanana fanjakana ? Ny lasa tsy fanadino ary mipetraka ho tantara ho an’ny zanaka faramandimby ny zava-nisy sy ireny fanapotehana natao tamin’ny firenena ireny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT