Politique

Famotehana nataon-dRajoelina tamin’ny 2009 Taona maro vao ho tafarina ny firenena


  • Alarobia 07 Febroary 2018

07 febroary 2009 – 07 febroary 2018 : Feno 9 taona anio ny nanaovan-dRajoelina sorona olona miisa 37 sy ny nandratrany olona 200 latsaka. Raha tsiahivina kely ny tantara, rehefa avy namotika sy nandoro ny fananam-pirenena sy ny orinasa Malagasy maro ny ekipan’ny TGV ny 26 janoary dia tonga nihani-dapa ny 07 febroary 2009.

Maro ny voka-dratsy sy ny takaitra naterak’izany tamin’ny lafiny maro. Raha ny lafiny ara-toekarena dia niantraika nivantana tamin’ny tokantrano Malagasy maro ireny fanapahana ny fifanarahana AGOA izay mamela malalaka ny zavatra vokarintsika ho any amin’ny tsena amerikanina noho ny fanonganam-panjakana nisy tamin’izany. Raha handray ohatra amin’ny orinasa Malagasy potika isika : tombanana ho 378 miliara ny fahavoazan’ny orinasa TIKO ary nitondra fahaverezan’asa ho an’ny olona marobe. Ankoatr’io orinasa izay tena voa mafy io, tsy vitsy ihany koa ireo izay nikatona noho ny fandrobana. Mahagaga anefa dia tsy misy mihitsy aloha hatreto ny fijerena manokana ireny orinasa nopotehin’ny sasany ireny, nanao fanelanelanana ny vondrona Afrikanina SADC ary nisy ny vola be nampiasaina tamin’izany saingy tsy nisy akony aty amin’ireo orinasa simba. Fatiantoka iray lavaka ary vola be no lasa lavenona noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. Mbola firy taona indray vao hiarina ny orinasa sy ny toekarena Malagasy ? Ny zavatra marina dia izao : ny lasa tsy fanadino ary mipetraka ho tantara ho an’ny zanaka faramandimby ireny fanapotehana natao tamin’ny firenena ireny. Ny tantara no hitsara.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT