Misambotra sivily avy ireo no terena hanonona anaran’olona, izay mazàna mpitarika politika na koa manamboninahitra, kendrena hopetahana sy hopotehina.
Lasibatra tamin’izany i Mamy Rakotoarivelo tao anatin’ny raharaha Marais Masay, ny volana martsa 2011. Miverina indray io filma io ankehitriny. Mandeha ny tondro molotra ! Sivily iray no nosamborina, tamin’ny herinandro lasa iny. Voasaringotra tamin’ny raharaha Ambohijanaka tamin’ny 2010 izy ary efa nahazo fahafahana. Io no terena hanonona anarana zandary ahitana lietnà, GP2, ary G2 hoe mikononkonona fanakorontanana. Ireto zandary ireto dia efa voasaringotra tamin’ny raharaha FIGN, mey 2010, ary vao ny 26 janoary 2012 no nahazo fahafahana. Zendana ny fianakavian’izy ireo amin’izao fisamborana izao indray. “Ny havanay aza tsy mbola milamin-tsaina akory, ary toa mbola nofy ho azy ireo aza ny hoe tafavoaka ny fonja nitazonana azy, nefa dia soketaina sy tadiavina halentika izao indray”. Tazonina eny amin’ny Toby Betongolo ireo olona ireo amin’izao fotoana izao, ary mety hiakatra fampanoavana anio. Misy amin’ireo zandary ireo no tsy mahinan-kanina manoloana izao tranga izao. Ilay sivily kosa dia fantatra fa marary noho daroka natao azy nandritra ny fisamborana sy ny nitazonana azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.