Politique

Famoriana olona tao Morondava Nitondrana artista malaza, nomena vola ireo Sefo Fokontany


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012

Nampidirina an-tsehatra ireo mpanakanto kalaza toa an-dry Jerry Marcoss sy Farah Jones niaraka tamin’ireo mpiangaly kilalaky malaza ao an-tanàna mba hanampy tamin’ny famoriana olona ao Morondava ny sabotsy teo.

 Tetsy ankilany dia noterena ireo Ben’ny tanàna, 13 avy any Miandrivazo, ho avy ao Morondava ary nilazana fa hisy fanamarinam-pahatongavana rehefa any ao Morondava. Nozarazaraina isam-pokontany ny akanjo T-Shirt sy lambahoany, ary ny tanora no tena nokendrena. Nomena vola iray tapitrisa Ariary ireo Sefo Fokontany ao Morondova. Norahonana tsy hahazo hilanja sorabaventy ireo mpampianatra mpanabe mitaky ny hanatsarana ny fari-piainany. Ireo no ampahan’ny trangan-javatra niseho tao Morondava nanomanana ny fahatongavan’i Andry Rajoelina tao an-drenivohitr’i Menabe ny sabotsy 21 aprily teo, hitokana ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-35, izay tetikasan’ny fitondrana Ravalomanana, ary koa nametraka ny vatofehizoron’ny asa fanamboarana kianja manar-penitra.

Na teo aza anefa izany fomba samihafa natao izany dia manamarika ny mpanao gazety ao Morondava fa nihena tsy toy ny tamin’ny nahatongavan’i Andry Rajoelina tany an-toerana tamin’ny 2011, nampanantenany ny fanamboarana hopitaly sy kianja manara-penitra ny isan’ny olona tonga namaly ny antso tamin’io sabotsy io. Ho an’ny mpanara-baovao dia midika ho tsy fahatokisan-tena tsotra iny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT