Manomboka mahery ny hetsi-panoherana ny fanjakana HVM eo anatrehan’ny fanaovana amboletra sy didin’ny be sandry. Efa re ny famoriam-bahoaka eto Antananarivo amin’ny 21 aprily izao, hanaovana tatitra momba ny resaka lalàm-pifidianana nolaniana amboletra.
Nilaza omaly ny prefektiora, fa tsy mbola nisy antontan-taratasy fangatahan’ny depiote, ary anio talata 17 aprily no hifampidinika ny OMC (Organe Mixte de Conception) manoloana io raharaha io. Tsy mijanona eo amin’iny resaka lalàm-pifidianana iny irery ny raharaha, fa toa efa tonga hatrany amin’ny hoe mila manaja tena ny filoha ankehitriny raha hendry, fa tsy manao zavatra mamoafady tahaka izao. Hiitatra amin’ny hetsi-pitakiana ny fialan’ny filoha na tsy haha kandida azy ve ny raharaha ? Ny vahoaka ihany koa etsy andaniny efa mifanentana amin’ny filanjana sora-baventy hanehoany ny marary azy. Manomboka sahy sy tsy mikoso-maso amin’ny ramatahoran’ny fanjakana ny rehetra. Tsy hita aloha izay tena setriny sy fahavononan’ny mpitondra hifampidinika sy hifampihaino eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana, fa vao mainka mihantsy ady. Ny tena marina anefa, dia efa tena mihorohoro tanteraka, saingy miezaka mamoaka vava tsy ambina. Halefa miteny sy manao vava be amina haino aman-jery ny minisitra ao anatin’ny governemanta, manaratsy ireto solombavambahoaka tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana. Tsy misy ny tena fanazavana ara-teknika sy mifandraika amin’ny lalàna, fa dia hevitra bontolo sy fanenjehana no betsaka. Mipetrapetraka kosa ny fanazavana avy amin’ireo depiote mpanohitra, saingy ny fanapenam-bava ny tsy hivoahan’ireny no tanjon’ny fitondrana. Adala sy miteniteny foana ve ireo mpahay lalàna sady depiote? Rediredin’ny tsy misy atao ve ny fanambaran’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux), izay hivondronan’ny manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny lalàna sy ny fifidianana nanakiana mafy iny lalàna iny? Ny manangam-bovona sy mampidera hery no ataon’ny fanjakana, ka efa hita ny antsojay natao tamin’ireo depiote 7 mianadahy saika hanao tatitra tamin’ny vahoakan’i Toamasina ny sabotsy lasa teo.Ho avy indray ny eto Antananarivo afaka andro vitsy dia io raikitra io ny fivoriana hikarohana ny hevitra rehetra hanakanana izany. Miorin-koditra sy tena tsy mahazaka demokrasia tokoa angamba ka manandran-doza miady amin’ny olom-boafidy sy ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.