Ao anatin’ny ady atao amin’ny pesta dia nisy ny fivoriana tsy ara-potoana natao teto amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly tolakandro niarahan’ny mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ara-bola sy teknika.
Tanjon’ny fivoriana ny hijerena sy anaovana tomban’ezaka ny ady amin’ny pesta. “Tato anatin’ny 4 herinandro dia niezaka ny governemanta nanao ny fomba rehetra hiadiana amin’ny pesta. Nidina ny salan’isa amin’ny olona tratry ny aretina, nihena koa ny isan’ny maty sy ny marary tsaboina. Tsy midika anefa izany fa fongana tanteraka ka mbola mitohy ny ady sy ny ezaka mba ahafahana mandresy sy manafoana ny aretina pesta. Mbola lavitra ny ezaka. Aoka tsy hisy ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka sy ny fanelezana tsaho”, hoy ny praiminisitra. Mitohy hatrany anefa ny ady atao, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanadiovana. Nohahamafisiny ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana miainga avy any amin’ny faritra, ny distrika, ny kaominina hatrany amin’ny fokontany. “Niarahana nanapaka nandritra ity fivoriana ity fa miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina andavanandro ka azo atao ny fanaovana famoriana olona na “reunion publique”, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Mila mailo hatrany isika satria tsy resy tanteraka ny aretina fa mbola tohizana ny ady atao. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana malagasy ireo mpiara-miombon’antoka amintsika noho ny vokatra tsara azo tamin’ny ady amin’ity aretina pesta ity ary samy nilaza fa vonona hatrany hanampy an’i Madagasikara, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra toy ireny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.