Politique

Famonoana ny Malagasy Efa eto ny fitaovam-piadiana, hoy i James Ratsima


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Manoloana ny loza mitranga eto amin’ny firenentsika ankehitriny toy ny fanampenam-bava ny mpanao gazety tsy hilaza ny vaovao tena marina intsony,

 

 

 ny fisian’ny asa fampihorohoroana, ny tsy fandriampahalemana dia naneho ny heviny ny profesora James Ratsima. Nambarany fa raisiny ho adidy sy andraikitra ny mampahafantatra antsika Malagasy tompon-tany mba ho mailo ka ho sahy hihetsika manoloana toe-javatra rehetra fantatra fa hitera-doza ho an’ny mpiray tanindrazana sy ny firenena. Efa tafapetraka eto amintsika ireo fepetra rehetra mety hitondra any amin’ny fikorontanana hahafahan’ny Frantsay mampiditra ny herim-pamoretana eto Madagasikara hanampy ireo efa misy efa eto an-toerana. Efa lazainay, hoy izy fa eto ny « Etat Islamique », efa eto ny Mafia, ampidirina ny basy sy fiadiana samy hafa, efa eto ireo olona novatsiana fiadiana entina hamono ny Malagasy, efa eto koa ny fahantrana lalina tsy misy toa azy. Miasa mafy ireo bolokim-bazaha rehetra manatanteraka  baiko. Mifafy etsy sy eroa    ny vola maloto, manjaka ny vono olona…. Mitady olona hafa ho tompon’andraikitra amin’izany no ataon’ireo kanosa andevom-bazaha satria tsy natao hiaro ny Malagasy iray ra aminy fa miasa ho an’ny vahiny. Tsy vitan’ny robaina ny firenena fa vonoina ny vahoaka, tapenana ny vavan’ny mpanao gazety, hoy hatrany izy. Ny politikam-panjanahana niraisin’ny tandrefana tsikombakomba no tena fototr’izany hoy hatrany i profesora James Ratsimba dia ny Geopolitika izany. Ankehitriny, mivadika ny toe-draharaha eran-tany, fa mitsoka ny rivotry ny  fanovana  ka  mitsipatsipaka i Frantsa ary manao izay saim-pantany sy  faraheriny mba hitazomana   antsika ho eo  ambany  vahohony ka mampiasa mafy   ireo mpikarama an’adiny. Nomarihiny moa fa tokony ho sahy hanohitra izany ny vahoaka Malagasy rehetra ho tombontsoa ambonin’ny firenena.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT