11 febroary 1975 – 11 febroary 2018. Feno 43 taona omaly alahady ny fahatsiarovana ny namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava.
Raha ny voarakitry ny tantara dia rehefa nahatsiaro ho tsy nahafehy ny fitondrana izay nentiny intsony ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa rehefa avy nitondra ny tany sy ny firenena nandritry ny 3 taona dia ity minisitry ny atitany tao anatin’ny fitondrany ity no namindrany ny fahefany ny 5 febroary 1975. Nalaza tamin’izay ny hoe “Tsy hiamboho adidy aho mon general”. 6 andro taorian’izay anefa dia voalaza fa maty nisy nitifitra teo Ambohijatovo ambony ity kolonely ity. Mbola niteraka adihevitra be koa anefa io fotoana nahafatesany io satria dia misy boky mirakitra mihitsy, toy izay nosoratan’ilay siantifika frantsay, Françoise Raison Jourde fa nifamaly tao amin’ny biraon’ny jeneraly Jules Andriamahazo, izay olon’ny frantsay tamin’ny fotoan’androny, ity kolonely ity ary efa tao no maty voatifitra izy fa sinema sisa ny teny Ambohijatovo. I Zimbo sy ny ekipany no voalaza, araka ny tantara, fa nitifitra an-dRatsimandrava saingy mbola maro ny manjavozavo momba ity raharaha ity.
Tsy tian’ny frantsay
Foto-kevitra niaingana sady nibaiko ny fomba fiasany rehetra nanomboka tao amin’ny minisiteran’ny atitany ary niriany ho notohizana tao anatin’ny fotoana maha filoha azy ny hoe miainga amin’ny eny ifotony, dia ny fokonolona, ny fampandrosoana. Mba hahafahana manatanteraka izany dia napetraka teny anivon’ny fokontany nanomboka ny taona 1972 ny antsoina hoe vaomieran’ny toekarena na ny Vatoeka. Ny fokontany ihany no nitantana ny toekareny. Tsy nisy hirika nahafahana nanodinkodim-bola loatra tamin’izany fotoana, raha ny voarakitry ny tantara hatrany, ary tsy nisy hirika nahafahan’ny frantsay nanatontosa ny paikadim-panjanahana vaovaony ihany koa. Olona novolavolain’ny frantsay mantsy ny kolonely ka noheverina fa nahafantatra ny tetikasa rehetra tian’ny frantsay hotontosaina taty amin’ireo firenena nozanahany taty afrika ary dia midika ho fitsipahan-doha ny laka-nitana ny fandavan’ny kolonely Ratsimandrava ny baikon’ny Frantsay ka nandoka ireo vahiny hampanirak’olona hamono azy. Hita ho miha adino isan-taona ankehitriny ity daty manan-tantara ity ary tsy mbola nakan’ny mpitondra nifandimby lesona ihany fa lasa resaka fotsiny sisa izany hoe fanomezana sehatra ny eny ifotony izany.
Nisy, omaly maraina, ny fametrahana fehezam-boninkazo teny Ambohijatovo nataon’ny fitondram-panjakana notarihan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Xavier Beni Rasolofonirina sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Girard Andriamahavalisoa, natrehan’ny fianakavian’Itompokolahy sy ireo olo-manankaja sivily sy miaramila maro samihafa.Samy nanamafy ireo nandaha-teny omaly fa ohatra tsara alain-tahaka amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana ny kolonely Ratsimandrava.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.