Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny ny mikasika ny fomba famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika sahanin’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T.
Nanomboka ny fiatombohan’ity herinandro ity mantsy dia milaza ny tsy hamoaka vokatra amin’ny tranokalany mba ho hitan’ny besinimaro intsony ny CENI-T noho ny lafiny fiarovana, raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra eny Alarobia. Ankoatra izay dia ireo voka-pifidianana isaky ny Distrika sisa no tonga eny am-pelatanan’ny mpikirakira vaovao raha isaky ny birao fandatsaham-bato izany nandritra ny roa andro voalohan’ny taorian’ny fifidianana. Efa misy rahateo ireo vondron’olom-pirenena mitaky ny mangarahara amin’ny fifidianana eto Madagasikara ny hamoahana ireo vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato eny anivon’ny CENI-T ka dia ho hita eo ny tohiny. Fa mbola fanamby iray hafa ho an’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita ihany koa ny fanajana ilay teny nomeny amin’ny famoahana ireo voka-pifidianana rehetra manerana ny nosy 10 andro aorian’ny fifidianana. Raha ny zava-misy aloha hatreto dia manodidina ny 1.000 tati-pifidianan’ny birao fandatsaham-bato isan’andro no voakirakira eny amin’ny foibe, izany hoe raha atao ny kajy tsotsotra dia afaka 18 andro aorian’ny fifidianana vao ho tratra ireo 20.001 tatitra avy amin’ireo birao fandatsaham-bato raha tsy hoe angaha miakatra ny hafainganam-pandeha ka manenjika 2.403 tati-pifidianana isan’andro ireo ekipa eny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.