Politique

Famoahana ny gadra politika Efa sasa-miandry ny Malagasy


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Mitodika eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny mason’ny mpanara-baovao amin’ity fiandohan’ny herinandro ity.

 Hitohy eny an-toerana, rahampitso talata 29 novambra, mantsy ny filankevitry ny governemanta andiany faharoa hotarihin’ny praiminisitra Jean Omer Beriziky. Raha ny fandinihana ny tetibolam-panjakana taona 2012 no nibahana tamin’ny filankevitry ny governemanta andiany voalohany natao ny zoma lasa teo dia mihevitra ny maro fa hivoaka amin’ity rahampitso ity ny fanapahan-kevitra mikasika ny famoahana ireo gadra politika. Efa sasa-miandry azy io ny rehetra, noho izy heverina fa hampisy fitoniana ara-tsosialy, ara-piarahamonina, indrindra ara-potilika eto ary dingana mankany amin’ny fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Ny tondrozotra rahateo, na amin’ny andininy faha-6, faha-16 ary faha-20 dia samy milaza an’io sy ny hamelana ireo sesitany politika hiverina malalaka an-tanindrazana tsy misy fepetra.

Mikasika ny sesitany politika dia efa miha tonga tsikelikely izy ireo. Ho an’ireo voakasiky ny raharaha 2009 dia nisantatra azy Rtoa Naika Eliane. Tonga omaly ny andiany faharoa, nahitana an’i Tojo Ravalomanana, zanaka lahiaivon’ny filoha Marc Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa, filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo teo aloha. Nampiharina tamin-dRatsiraka koa io tondrozotra io, ka nahafahany nody ankalalahana. Manana adidy lehibe, araka izany, ny praiminisitra Beriziky sy ny governemanta tarihiny hamoaka fanapahan-kevitra hamoahana ireo gadra politika sivily sy miaramila sy ny famerenana tsy misy hatak’andro ireo sesitany rehetra, hirosoana lalindalina kokoa amin’ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-16 sy faha-20, hialana amin’ny fitongilanana ary koa mba tsy hanaovana ankivy ny vahoaka 20 tapitrisa, sy hisian’ny filaminana eto Madagasikara.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT