Politique

Faminganana an-dRavalomanana Niainga tany amin’ny kaominina mankany amin’ny boriborintany


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Efa tamin’ny taona 2017 no niharan’ny antsojay hatrany ireo mpanara-dia ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny filoha mpanorina azy, Marc Ravalomanana.

 Ben’ny tanàna, mpanolotsaina teo aloha, sy izay olo-mahatoky ity filoha ity rehetra dia efa saika samy niharan’izany avokoa ary nihatra aman’aina mihitsy ho an’ny sasany, toy ny ben’ny tanànan’Ampefy sy Ambalakindresy teo aloha. Ankehitriny, mahagaga ny maro ihany fa taorian’ny hetsik’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny faran’ny herinandro teo  izay toa nilazana fa sady tsy mandray ny andraikiny amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana ny kaominin’Antananarivo renivohitra no tsy olon’ny fisokafana satria hoe efa in-telo nangataka fihaonana saingy tsy noraisina ireto mpivarotra nitaraina te hanala ireo mpivarotra amoron-dalana. Efa nanazava hatrany moa ny avy eo anivon’ny CUA fa efa mandray ny andraikiny amin’ny alalan’ny fanetsehana ireo fiara manga be sy fampidinana eny ifotony ireo polisy monisipaly. Vao ny alatsinainy teo koa no nampitandrina farany ireo mpivarotra amoron-dalana mba hiditra any anaty tsena. Nanomboka io alatsinainy io koa nefa dia nisy iny fitokonan’ny mpiasa tetsy amin’ny boriborintany faha-2 iny ary dia hoe itakiana ny fialan’ny delegen’ny boriborintany « Avy hatrany ». Satria ve anisan’ny mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara ity delege ity dia mipoitra tampoka ny raharaha toy itony fa akaiky ny fifidianana ?

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT