Zava-doza avokoa ny fahitana hitan’ilay vehivavy mpahita ny hoavy etsy amin’ny 67ha raha vantany vao tafaverina teto Antananarivo izy.
Fahitana izay hitranga eto amin’ny firenena raha tsy mifamela heloka sy miova fo ny vahoaka sy ny mpitondra. Raha ny nambaran’i Noelah dia naka hery tamin’ireo zazavavindrano mpanome hery azy izy, fomba izay fanaony isan-taona. Raha nitsofoka tany anaty rano nandritra ny telo andro izy, dia nampahafatarin’ireo hery izay mitoetra ao aminy zavatra maro. Toy ny tavohangy iray litatra no fahitany ny firenentsika raha tombanana. Feno vitsika izy io ary hitany tao anatin’io avokoa ireo mpitondra eto izay kakerin’ny vitsika, nefa tsy taitra. Hitako misy ministra hanin’ireo biby kely ireo koa hoy izy. Tazako ao anatin’io tavohangy io, fa misy mpanao gazety manaikitra mpanao gazety. Mpitondra fanjakana ankehitriny mihinana mpitondra ihany koa.
Tazako tao hatramin’ny grevin’ny mpampianatra izay endrika toy izao no nahitako azy, hoy i Noelah. Misy zaza mitondra kitapo mihantona amin’ny tady, izay afo no eo ambaniny. Ireo mpampianatra romotra be amin’ny mpitondra ka maro be ny fahitako azy, izay mbola maka endrika vitsika ihany, ary nilahatra an-dalambe, ary nisy zavatra nipoaka fotsifotsy teo amin’ireo vitsika ireo hoy ihany izy. Tsy azo an-tsaina io, fa ilay zaza toy ny vita sorona etsy amin’ilay tady, ary mihantona eo. Nitomany hono aho hoy izy nahita ilay izy, satria nahatsiaro an-janako aho. Nampitonian’ireo zazavavin-drano ireo aho, ary nilazany fa tsy hilamina ny firenentsika noho ny fitiavantenan’iretsy, sady notondroiny ahy ireo olona mpanao politika maro ankehitriny, izay fantatro daholo izy ireo. Ireo vitsika ireo hoy ilay feo nampita izany tamiko, dia vahoaka ireo, ary harapaky ireo tsy ho ela iretsy be fitiavan-tena iretsy.
Misy te-hifikitra mafy ao anatin’io tavohangy io ireo mpitondra ireo, ary ny nampalahelo, dia ny famonoana amin’ny tsipindy ataon’ireo mpitondra ireo vitsika maro be ireo, saingy vao maika mirongatra ireo biby ireo, ary nisy mpitondra nandositra ka latsaka tao anaty lavaka, saingy mbola narapaky ireo biby ireo avokoa. Maro ny zavatra tsy voavinavinako, fa azo adika ho fahitana ratsy ho an’ny fireneko ity diako farany ity, hoy ihany i Noelah. Taorian’io, dia naka hery vao aho entiko hitsaboako ny mpiray tanindrazana amiko aho, ary ny hafatra nampitaina tamiko farany, dia mila manala fanahy ratsy isaky ny alahady hono aho, ka tsy azoko handraisana tambiny io na dia ariary aza.
Vavaka no atao, ary tsy maintsy miara-midera ny mpahary amin’olona maro aho isaky io andro voatondro io. Hery vao ho ahy izany, saingy ny trano hanaovako izany no tsy mbola voafaritra fa io no azo hampitaina aloha nandritra ny diako tany Nosy varika, ka nanovozako hery afahako manasitrana aretina maro sy manampy ny olana amin’ny mpiara-belona. Misy kosa ireo tsiambaratelonay sy ireo hery ireo izay tsy azoko lazaina, satria karazany fanotana fady raha lazaiko. Izay liana amin’io fahitako io, dia afaka mitafa amiko amin’ny 0346132862 hoy ihany ity vehivavy taizan-jazavavin-drano ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.