Araka ny fanambarana mitondra ny laharana faha-151-CES/G, nivoaka omaly 23 mey, ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES) dia mampahafantatra ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay 2013, izay didin’ny lalàna ny hametrahany fialàna amin’ny asany, fa izany fametraham-pialàna izany dia raisina ao amin’ny firaketan-tsoratry ny CES ao Ambohidahy. Namaly ny fangataham-panazavana avy amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany koa ny CES ka nilaza fa mametra-pialana 60 andro mialohan’ny datin’ny fifidianana, araka izay voalazan’ny andininy faha-14 ao amin’ny tondrozotra ireo kandida filoham-pirenena.
Raha atao izany ny kajy dia tsy maintsy miala amin’ny andraikiny avokoa fara fahatarany amin’ny alahady 26 mey izao ireo kandida manampahefana, tahaka ny filohan’ny tetezamita, ny filohan’ny CST, ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, ny minisitry ny raharaham-bahiny, ary tsy maintsy tonga eny amin’ny CES Ambohidahy amin’io alahady io fara-fahatarany ny taratasy ofisialy fametram-pialana avy amin’izy ireo. Ny filohan’ny tetezamita, ny alarobia lasa teo dia efa nilaza fa hametra-pialana ary hanaja ny lalàna ny tenany, izy izay na dia nanatrika ny fiantsoan’ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy aza, dia tsy mieritreritra ny hisintona ny taratasy filatsahan-kofidiany fa dia ho mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.