Politique

Fametrahana samboady an’i Neny Tsy noraharahian’ny fitondram-panjakana


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Tontosa ny sabotsy 21 mey 2016 teo tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana.

 

 Nanatrika izany ireo solombavambahoakan’i Madagasikara lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara notarihan’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafimanantsoa Hanitra. Nisolotena ny fitondram-panjakana foibe nametraka ny samboady maha tompon’andraikitra ara-dalàna ny renivohitr’i Madagasikara an’i Neny Lalao Ravalomanana azy kosa ny minisitry ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana kosa Ravatomanga Roland. Tsara homarihana fa tsy tazana teny an-toerana na ny solontena avy ao amin’ny prefektiora na ny distrika na tompon’andraikitra hafa avy amin’ny fitondram-panjakana foibe. Raha tsy nisy ny minisitra Ravatomanga aza angamba dia tsy nisy mihitsy ny solontenan’ny fahefana mpanatanteraka, fihetsika toa midika zavatra maro ary manamafy fa malailay fonosana amin’ny ben’ny tanànan’ny renivohtra ny fitondrana foibe. Nankalazaina tamin’io fotoana io moa ny fetin’ny Reny ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka niarahaban’ny mpiasan’ny CUA ny ben’ny tanàna vehivavy voafidy voalohany eto Antananarivo Renivohitra. Fisaorana sy fankasitrahana ny vahoaka manerana ny boriborintany enina sy ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny kaominina kosa no nasetrin-dramatoa Lalao Ravalomanana izany. Nohamafisiny ihany koa ny fahavononany sy ny fahasahiany miaraka amin’ny mponina hanarina ny renivohitr’i Madagasikara ho fanasoavana ny mpiara-belona. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT