Politique

Fametrahana ny fitoniana Miankina amin'i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Taorian'ny 17 septambra 2011 nanasoniavana ny tondrozotra dia nilaza ny filohan'ny tetezamita sy ny minisitry ny fitsarana fa tsy maintsy mbola avadika lalàna sy eken'ny parlemanta aloha ny tondrozotra sy ny voasoratra rehetra ao anatiny izay vao ampiharina tahaka ny lalàna manankery eto Madagasikara.

 Vita tamin'ny fivoriana tamin'ny faran'ny taona teo izany. Nahagaga indray anefa ny fanambaran'ny manampahefana sasany fa mbola mila fandaminana ny lafiny ara-teknika sy araka ny lalàna ny fampiharana ilay andininy faha-20 amin'ny fodian'ireo sesitany politika, sy ny momba ny famoahana ireo gadra politika sy fampitsaharana ny raharaham-pitsarana rehetra misy ifandraisany tamin'ny raharaha 2009, araka ny voalazan'ny andininy faha-16 ao amin'ny tondrozotra ihany. Ny praiminisitra Beriziky aza moa dia efa nilaza mihitsy fa tsy mbola feno indray, hono, ny fepetra hahafahan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana miverina eto Madagasikara. Momba ny famoahana ireo gadra politika kosa indray dia nanamafy ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine fa mbola mila fandinihana izany ary mandeha amin'ny ambaratongany ny fanatanterahana azy fa tsy misy avoaka maimaika izany.

Tamin'ny martsa 2009 anefa, tsaroana tsara fa haingana dia haingana ny namoahan'ny FAT ireo mpanao politika nigadra nandritra ny fitondrana Ravalomanana, anisan'izany ry Pety Rakotoniaina, Voninahitsy Eugène sy maro hafa. Ka nahoana no mbola iandrasana fotoana ny famoahana ireo gadra politika noho ny raharaha 2009 ? Mazava ihany koa ny voasoratra ao anatin'ny sori-dalana fa foana sy tsy manankery intsony ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina mialoha io 17 septambra 2011 nahavoasonia azy io. Koa raha atambatra izay dia foana avokoa ireo raharaham-pitsarana rehetra nanomboka tamin'ny 2009 no ho mankaty ary tsy manankery koa ny didim-pitsarana rehetra nivoaka. Zovy no tsy mahalala sy mahatakatra fa maro ny ambadika politika tamin'ireo fisamborana sy fitsarana tato anatin'ny telo taona ireo ! Raha hiroso amin'ny fampihavanam-pirenena marina dia dingana tsy maintsy irosoana io famoahana ny gadra politika sy fampitsaharana ny fanenjehan'ny fitsarana ireo manohitra an'i Andry Rajoelina io. Ity farany moa dia tokony hanana fanetren-tena goavana, raha ny fiheveran'ny maro azy ka hamoaka didy hitsivolana avy hatrany milaza ny fanafahana ireo gadra politika rehetra, tahaka ny efa nataony tamin'ny 2009. Miankina amin'izay ny hisian'ny fitoniana ka hahafahana miroso amin'ny dingana manaraka amin'ny asan'ny tetezamita.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT