Noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina, omaly tao Iavoloha, ny masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara, Ramatoa Maud Vuyelwa Dlomo, izay nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika.
Notsiahivin’ity masoivoho vaovao ity, ny fifandraisana matotra misy eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra fony nitolona ho amin’ny fanafoanana ny Apartheid i Afrika Atsimo, ary nanohana izany tolona izany moa ny firenena Malagasy. Maro amin’ireo mpitondra ambony afrikanina tatsimo ankehitriny mantsy no nanao sesitany ny tenany teto Madagasikara tamin’izany fotoana, araka ny fampatsiahivan’ity diplaomaty ity. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena roa tonta ny asa hosahanin’i Maud Vuyelwa Dlomo, ary amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny SADC, dia hanampy antsika i Afrika Atsimo eo amin’ny fanamafisana ny fahamarinan-toerana ara-politika, mba hampahomby ny fampandrosoana ara-toekarena, ka asiana lanjany manokana ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’izany sehatra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.