Raha fintinina, tsy misy mpanohitra hatreto ny fitondrana Rajoelina. Sady an’ny filoham-pirenena ny fahefana mpanao lalàna no mpanapa-kevitra.
Ny dikan’izay dia tokony hilalalala be amin’ny fampandrosoana ny fitondrana TGV satria tsy hita izay hanenjika azy eo. Fa aiza ary no olana no toa tsy nahitana na inona na inona miantraika anaty vilanin’ny vahoaka mihitsy tao anatin’izay 1 volana izay ? Araka ny loharom-baovao iray dia marobe izao ireo tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpanaradia ny filoham-pirenena ankehitriny. Hita ho niainga io olana io tamin’ny fisian’ireo mpikambana sasantsasany teo anivon’ny TGV sy Mapar izay noheverina fa tokony hiditra tsy nisy adihevitra tanaty fitondrana kinanjo tsy izay no nitranga. Anisany ireo minisitra teo aloha, Brunel Razafitsiandraofa sy Christine Razanamahasoa. Misarangotra amin’ny fidirana anaty fitondrana koa ireo HVM namadika palitao sasantsasany toy ireo depiote sy lehiben’ny faritra taloha. Rafitra goavana andrasana hipetraka ny mikasika ny fametrahana ireo governora hasolo ny lehiben’ny faritra. Andrasana raha hotendrena izany na hofidiana. Anarana heno ho maniry hitarika ny ao Atsinanana i Mahazaka Clermont Gervais, efa lehiben’ny faritra tao Toamasina tamin’ny fotoan’andron’ny amiraly Didier Ratsiraka no voatendry ho minisitry ny fifandraisana tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2002. Rehefa avy eo dia lasa mpikamban’ny CES indray tamin’ny tetezamita 2009 ary mpanolotsaina teo anivon’ny primatiora tao anatin’ny governemanta Mahafaly tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Heno ho mitily ny toerana maha governora koa ny depioten’i Soanierano Ivongo teo aloha, Tody Arnaud, sy ny minisitry ny mponina ankehitriny, Naharimamy Irmah Lucien, raha sanatria tsy minisitra intsony afaka 5 volana. Mety hananosarotra ny fametrahana ity resaka governora ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.