Politique

Fametrahana fitoniana Tsy terena amin’ny basy, hoy i Pety Rakotoniaina


  • Alakamisy 02 Febroary 2017

Endrika iray ahitana fa tsy atokisan’ny vahoaka intsony ny fanjakana ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, hoy i Pety Rakotoniaina, filohan’ny Antoko Tambatra, omaly.

 Tsy terena amin’ny basy ny fametrahana filaminana fa tonga ho azy ary azo atao tsara ny mametraka fitoniana sy fandriampahalemana na ara-tsosialy na ara-politika rehefa mahita zavatra tsara sy mendrika ataon’ny mpitondra ny vahoaka, raha ny fanehoan-kevitr’io mpanao politika io. Tsy vitan’ny filazan’ny mpitandro ny filaminana hoe tsy mety ny fitsaram-bahoaka ny raharaha dia milamina ny zava-drehetra, fa mila manaporofo izy ireo fa miasa sy mahomby, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina. Tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra intsony ny olona, ka izay no mampirongatra azy io, ary efa ny mpitandro filaminana mihitsy ankehitriny no hiharan’ny fitsaram-bahoaka. Vahaolana tokony himasoana ny famerenana ny fitokisan’ny olona azy ireo mba ho fitaratra amin’ny fanarahana sy ny fampiharan-dalàna. Ahiana hitohy hatrany ny fitsaram-bahoaka raha mbola minia miraviravy tanana sy mijanona amin’ny resaka ambony latabatra ny manampahefana, fa tsy hiezaka hioitra sy hanaporofo ny fandraisana andraikitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT