Politique

Fametrahana fitondrana tsara tantana Goavana ny andraikitry ny mpanara-maso ny asa


  • Talata 26 Martsa 2019

Nosokafan’ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina omaly ny fihaonambem-pirenen’ireo mpanara-maso ny asa sy ny lalàna sosialy.

 “Mba hahatongavana amin’ny fametrahana fitondrana tsara tantana dia mifameno ny anjara asan’ireo mpanara-maso ny asa sy ny fitondram-panjakana”, hoy ny lahateniny.  Laharam-pahamehana ny fampananana asa mendrika ho an’ny rehetra, na eto an-toerana na any ivelany ary ny asam-panjakana dia natao hampandroso ny firenena. Hapetraka ny lamina aorian’ny fankatoavana ireo fenitra iraisam-pirenena, ary hisy koa ny fandraisana ny soso-kevitra mahakasika ny asan’ny mpanara-maso ny asa hahatongavana amin’ny fanatsarana kokoa ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny. Hampanarahana rafitra manomboka izao io sehatra io taorian’ny lesoka samihafa am-polony taona. Tsy maintsy hatsaraina ny tontolon’ny fandraharahana mba hisian’ny indostria maro manerana ny Nosy izay hiteraka asa, indrindra ho an’ny tanora. Eo amin’ny sehatry ny asa filana ravinahitra any ivelany kosa dia hojerena ny lamina rehetra tokony hapetraka mba ho lavitry ny asa an-terivozina izy ireny. An-dalam-piheverana ny hanaovana sonia efatra mikasika fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny firenena any ivelany eo amin’ny fahazoan-dalana neken’ny roa tonta, mandefa mpiasa Malagasy any amin’ireny firenena ireny, izay hatao laharam-pahamehana, dia ny any Maurice, Koweit, Arabie Saoudite ary Liban. Ho an’ny firenena ankoatra ireo dia mbola hisy fandaminana hapetraka. Tokony hotanterahina amim-pahamarinana ny asa eo anivon’ny fadintseranana satria raha tsy izany dia mety hiteraka olana ho an’ireo mpanafatra sy mpandefa entana mankany ivelany. Io rahateo no sehatra mampiditra vola betsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Mifanindran-dalana amin’izany ny fanamafisana ny fiarovana ny harena sy ny sisin-tany iarahana amin’ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT