Ho raikitra ihany izy ity sa mbola hifampiziriziry sy hifampiandry kendry tohana ny etsy Mahazoarivo sy ny eny Iavoloha ? Io indray ny fanontaniana mipetraka amin’izao fotoana satria efa am-bolana maro no re fa hoesorina ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Tsy nety tanteraka izany kanefa na ny anaran’ireo olona tsara toerana mety hasolo azy efa manomboka mivoaka, dia ny iray amin’ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika ny jeneraly Ralala Roger na minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier. Raha ny tsiliam-baovao azo tamin’iny faran’ny herinandro iny kosa dia re fa nomena fe-potoana hatramin’ny rahampitso talata 23 janoary ny praiminisitra ankehitriny hametrahany fialana. Tsy hay aloha na mbola hahita lalan-kialana amin’izany ny tenany sy ireo manodidina azy io fa dia andrasana ao anatin’ny 48 ora izany izay mety ho tohin’ity resaka mivoaka avy eny an-dapa ity. Toa mampahatsiahy ny raharaha fametraham-pialan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’izany fotoana ny zava-misy. Ny taratasy efa vita sonia, kanefa ny tenany mbola niziriziry teo, ary nandeha ny tery isan-karazany vao tonga tamin’ny fametraham-pialana tena izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.