Manoloana ny resabe mandeha momba ny fitakiana ny nosy manodidina dia naverin`ny praiministra nampatsiahivina fa ny 18 novambra no
hivory voalohany ny kaomisionina manokana misahana ny famerenana azy io eto amintsika. Tsy tokony hisy ny olana amin`ny dingana rehetra hamerenana ny fizaka-manan`i Madagasikara ireo nosy, hoy izy satria efa voafaritra tamin`ny taona 1972 ny maha an`i Madagasikara ireo nosy manodidina ireo. Nohamafisiny hatrany fa ny firenentsika dia nanapa-kevitra amin`ny alalan’ny filoham-pirenena fa hiatrika ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana tamin`ny taona 1972 sy 1978 ka izao tonga amin`ny fifanatonana eo amin`ny roa tonta izao. Toa milamin-tsaina tokoa ny praiminisitra mahakasika ny famerenana ny nosy Iles Eparses kanefa maro ireo manampahaizana Malagasy milaza fa ho sarotra izany. Misy mpitsara iraisam-pirenena aza nilaza hatrany fa tokony hiakatra eo anivon`ny fitsarana iraisam-pirenena na “Cour Penale Ineternationale”. Efa manana paikady manokana tokoa ve ny praiminisitra ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.