Politique

Famerenana ny “iles éparses” Ny fikaonandoham-pirenena ihany no vahaolana


  • Alarobia 15 Jona 2016

Nanao fanambarana indray omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana Nosy Malagasy na ny ARM,

  Arlette Ramaroson izay mpitsara teo aloha  manoloana ny tokony  hiarahan’ny Malagasy  rehetra   mientana   hamerenana  ireo  Nosy malagasy nobodoin’ny Frantsay teo am-pelatanantsika. Nambarany fa tsy mbola tara velively isika raha izao vao manao ny fitakiana mba ho fanonerana sy fanarenana ny firenena. Ny fikaonandoham-pirenena ihany anefa raha araka ny vahaolana natolony no hany lalan-tokana hahafahana mamerina izany amin’ny fomba mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena. Io lalana iraisam-pirenena io dia misokatra ho antsika malalaka ny amin’ny hahazoana ireo Nosy ireo satria hatreto ny fitondram-panjakana frantsay dia tsy nanaja ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny firenena ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka  sy ny zon’ny vahoaka malagasy ny amin’ny famerenana manontolo aminy ny taniny tsy misy hanombinana. Voamarina izany, hoy hatrany izy, araka ny résolution 1514 (XV)- « déclaration de l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux” nandritra ny fivoriamben’ny firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960. Manoloana izany dia hikarakara atrikasa any amin’ireo faritra dimy eto amintsika ny fikambanana tarihiny. Ny 23 jolay ho avy izao  no hanaovana ny fikaonandoha etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ka ireo fehin-kevitra nivoaka tany amin’ny faritra no entina mandritra izany,  hakambana amin’ny hevitry ny vahoaka eto an-drenivohitra ihany koa ary hatolotra ny firenena mikambana. Nanamarika moa  i Arlette Ramaroson fa manaja tanteraka  ny lalàna iraisam-pirenena ny ARM tarihiny,  lalàna efa nosoniavin’i Madagasikara  izay mandrara  tanteraka ny fanonganam-panjakana. Nomarihiny ihany koa fa tsy azo ekena velively  ary foana tsy manan-kery ny fifanarahana miafina izay nosoniavin’ireo mpitondra fanjakana malagasy sy Frantsay raha nisy izany. Tsy azo ekena, hoy hatrany i  Arlette Ramaroson satria tsy nifampierana  tamin’ny vahoaka malagasy masi-mandidy sy ireo olom-boafidim-bahoaka izany fanapahan-kevitra izany.

Pat

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT