Politique

Famerenana ny fifidianana ao Faratsiho Mitaky ny hamoahana ny marina aloha ny vahoaka


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina sy distrikan’i Faratsiho.

 

Io no vokatra navoakan’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana taorian’ny fitoriana napetraky ny kandidan’ny IRK mikasika ireo biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Besorohitra, Fokontany Mahatsinjo Mampihavana izay nahazoan’ny kandidan’ny MMM vato betsaka indrindra nefa  nolazain’izy ireo fa nakatona tamin’ny 12 ora atoandro sy talohan’ny tamin’ny 05 ora hariva tamin’ny androm-pifidianana. Nijoro nanohitra io fanasoketana an-dRamilison Nomenjanahary ny kandida natolotry ny MMM io omaly ireo mpikambana teo anivon’ny biraom-pifidianana tany an-toerana nahitana ny delegen’ny kandidan’ny IRK Atoa Rasolofonjanahary Donné.  Nambaran’ity farany fa na dia ny kandidany aza no mpitory dia tsy maintsy mijoro amin’ny fahamarinana izy ho fiarovana ny safidim-bahoaka. Tsy nisy fanakatonana biraom-pifidianana izany mantsy hoy izy tao amin’ny EPP Besorohitra tamin’io fotoana io ary nizotra an-tsakany sy an-davany soa aman-tsara ny fifidianana izay nanaovan’ireo tompon’andraikitra rehetra sonia. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ity fifidianana Ben’ny tanana tao Faratsiho ity araka izany izy ireo izay misolo tena ny vahoaka iray manontolo. Nomarihin’Atoa Andry Rabesandratana, mandateran’ny kandida natolotry ny MMM moa fa tsy fahalainana ny hamerina fifidianana ny azy ireo fa tsy rariny kosa raha manana ny marina izy ireo nefa ny vahoaka iray manontolo no verezin-jo sy saziana hamerina fifidianana. Tsiahivina moa fa tsy nohenoin’ny fitsarana akory ireo vavolombelon’ny kandidan’ny MMM tamin’ny fotoam-pitsarana no sady tsy afaka niteny raha tsy nisy tonga ny mpitory sy ny vavolombeny izay heverin’iretsy voalohany fa misy tsindry sy kolikoly ihany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT