Namoaka fanambarana ny farimbon-tsendikaly eo anivon’ny orinasa JIRAMA amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha misy ankehitriny eo anivon’ity orinasam-panjakana ity.
Voalaza fa manaja ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena tamin’ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao ny sendika. Saingy mitsipaka kosa ny famerenana ny fitantanana tsy mahomby sy mambotry ny orinasa nataon’ny mpitantana ny teo aloha. Mitaky tsy misy fepetra ihany koa ny « sentence arbitrale » tamin’ny 25 aprily 2019 izy ireo. Mampiomana ny mpikambana rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny fihaonambe izay tanterahina amin’ny volana janoary izao ny farimbon-tsendikaly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.