Politique

Famerenana fifidianana depiote Raikitra ny datin’ny 29 aogositra, hoy ny CENI-T


  • Zoma 18 Jolay 2014

Ny famerenana ny fifidianana depiote amin’ireo distrika voakasika no tiana ambara eto. Araka ny resadresaka fohy nifanaovana tamin’ny mambara iray sady mpitondra tenin’ny CENI-T, Fano Rakotondrazaka, dia ny faha-29 aogositra izao no daty hamerenana ny fifidianana solombavambahoaka any amin’ireo distrika 4 voakasik’izany dia i Sainte Marie, Belo Tsiribihina, Ambanja ary Marovoay. Efa eo an-dalam-pikarakarana ny

bileta tokana hanatanterahana azy izahay amin’ny CENI-T ankehitriny, hoy ity tompon’andraikitra ity. Fantatra kosa fa tsy hisy intsony ny fandraisana kandidà vaovao fa ireo efa tao anaty lisitra hatramin’ny voalohany ihany no hofidiana amin’io fotoana io. Ho an’ny fifidianana ho ben’ny tanàna hitantana ireo kaominina 1 543 manerana ny Nosy kosa dia nambaran’i Fano Rakotondrazaka fa ny fandrafetana ny lalàna mikasika azy io no hahafahana mamaritra izay daty sy fepetra tokony harahan’ny tsirairay mikasika izany fifidianana izany. Tsy mbola afaka mamaritra ny daty kosa ny CENI-T, hoy izy, raha tsy mipetraka io lalàna izay iandrasana ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT