Politique

Famerenana fifidianana depiote Nandroso ny datin’ny 4 jolay na 29 aogositra ny CENI-T


  • Zoma 09 Mey 2014

Nihaona teny Alarobia omaly tolakandro ny filohan'ny CENI-T Rtoa Atallah Beatrice nomban'ireo mpiara-miasa akaiky aminy an-kilany sy Atoa Reboza Cyrille minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrimpanjakana an-daniny.

 Voaresaky ny roa tonta ny momba ny famerenana ny fifidianana solombavambahoaka any amin'ireo Distrika 4 ka daty roa no fantatra fa azo hisafidianana dia ny 4 jolay sy ny 29 aogositra, rehefa tsy tratra ny 30 mey. Nanamafy koa anefa ny minisitry ny serasera fa misy ny laharam-pahamehana ho an'ny fitondram-panjakana ka tafiditra ao anatin'izany ny fanamafisana orina ny demokrasia, ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera eto Madagasikara. Miasa mafy momba an'io izahay amin'izao fotoana, hoy i Reboza Cyrille. Notsiahivin'ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ihany koa fa niara-niasa akaiky hatrany nandritra ny zotram-pifidianana natrehan'ny firenena ny CENI-T sy ny minisiteran'ny serasera

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT