Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.
Nampiaka-peo anefa ny vahoaka any an-toerana ary tsy manaiky izany satria tsy nisy olana fa nizotra tam-pilaminana ny fifidianana. Manamarina izany, hoy Atoa Pascal, solontenan`ny vahoakan`i Tsihombe, ny fitanana an-tsoratra (PV) izay nataon’ireo delegem-pifidianana sy ny CENI. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa sy ny fitondram-panjakana ireo mponina satria raha ny ahiahiny dia nisy kolikoly izao fanapahan-kevitra izao. Nanambara koa Rtoa Olga, solontenan`ny vahoaka any an-toerana fa tsy nanaiky nosandaina vola ny safidin`izy ireo ary ny ara-drariny no hitsaràna ny raharaha. Aoka izay lanim-bahoaka no hekena. Mametra-panontaniana izy ireo ny tokony hampifidianana azy indray nefa ny kandidà nolaniany aza tsy neken’ny fitsarana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.