Politique

Famerana ny datim-pifidianana Malalaka ny lalan’ny CENI-T


  • Alakamisy 18 Jolay 2013

Nanome ny heviny momba ny fiantsoana ny mpifidy taorian’ny taratasy nalefan’ny CENI-T tany aminy omaly ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana na ny HCC.

Voalaza ary fa karazana fampahatsiahivana ihany ilay fe-potoana 90 andro mialoha ny datim-pifidianana, hiantsoana ny mpifidy, araka ny voasoratra ao amin’ilay lalàna fehizoro laharana 2012-015 tamin’ny 1 aogositra 2012, mifandraika amin’ny andininy faha-47 ao amin’ny lalàmpanorenana, raha toa ka misy ny fanemorana ny datim-pifidianana noho ny antony tsy azo anoharana. Malalaka izany ny lalana ho an’ny CENI-T eto fa dia tsy voatery hohajaina ilay 90 andro, fa raha milamina ny resaka rehetra, vita ireo didy hitsivolana tsy maintsy havoakan’ny filohan’ny tetezamita, ary efa misintaka ireo kandida teren’ny sehatra iraisam-pirenena mba hisintaka dia afaka mamoaka avy hatrany datim-pifidianana ny CENI-T.

Raha nohajaina sy narahana ilay fe-potoana 90 andro dia mety hitontona any amin’ny volana oktobra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ary volana desambra, na janoary mihitsy izany vao hisy fihodinana faharoa sy fifidianana solombavambahoaka. Efa anaty vanim-potoan’ny orana anefa izany, ary mety hifanitsaka amin’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ihany koa. Tsy misy izany ny olana, araka ny lalàna ho an’ny CENI-T momba ny famerana ny datim-pifidianana fa dia miankina amin’ny lafiny politika tanteraka sisa no tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT