Politique

Famelabelarana nataon’ny HCC sy CENI Tsy afa-po ireo vehivavy kandida depiote


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Saika nitovy hevitra avokoa ireo vehivavy kandida ho solombavambahoaka

 

 

 nandritra ny famelabelarana sy adihevitra ary ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny CENI sy HCC omaly talata tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Nilaza ny ankamaroan’izy ireo fa tsy afa-po tamin’ny valin-tenin’ny CENI sy HCC, indrindra tamin’ny fanontaniana napetraka

Filohan’ny PSD, Eliana Bezaza

« Tombony ny fampahafantarana ny vehivavy ireo lalàna sy torolalana rehetra hahatongavana amin’ny fandresena. Ilaina ny fahalalana sy fanajana ny lalàna ary fifanakalozana traikefa tahaka izao. Tokony mba hisy ihany koa ny fihaonana ataon’ny CENI sy HCC amin’ireo kandida lehilahy. Manjavozavo ny lalàna Malagasy ary hita taratra izany amin’ireo kandidam-panjakana izay sahy miseho amin’izany mihitsy nefa ny sasany ampitahorina mafy”

Kandida tsy miankina Ambohidratrimo, Ranaivoarisoa Ninah

“Tsara ny atrikasa sy ny fifanakalozan-kevitra fa tokony ho nantsoina daholo ireo kandida satria maro indray no mbola handika lalàna noho ny tsy fahafantarana. Tokony hitovy zo tanteraka ny lahy sy ny vavy. Amin’izao no tena ahafantarana ny andraikitry ny depiote fa maro no mbola tsy mahafehy izany na dia milatsaka aza”

Mpiaro ny zon’olombelona, Rafolisisoa Hanitriniala

“mahavelom-bolo ny mahita vehivavy sahy sy vonona hampandroso ny firenena. Zava-dehibe ny fifandanjan-kery ary tsy tokony hisy mizana mitanila. Tokony hitovy fomba fijery ny HCC sy ny CENI fa lasa mampisavorovoro. Tokony hojerena fa manjavozava ny momba ireo kandidam-panjakana sy ireo mampiasa fitaovam-panjakana”

Kandida TIM boriborintany faha-3, Bodo Razafindrazaka

“Tsara ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo depiote vehivavy taloha. Maro ny fanontaniana tsy voavalin’ny CENI sy HCC tahaka ny hoe ahoana ny momba ireo kandida mijoro eo akaikin’ny filoham-pirenena rehefa manao hetsika izy tahaka ny hoe mizara vary mora? Maro ny fanontaniana azo novaliana eny na tsia saingy nosafosafoina ary tsy mazava. Faniriana ny hiteny mivantana mihitsy ny filohan’ny HCC sa ve azo raisina indray ireny fa tsy mitombina ?

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT