Politique

Famatsiana vary Tsy mbola voaloan’ny fanjakana ny volan’ny mpandraharaha


  • Talata 06 Desambra 2011

Araka ny nambaran’ny minisitry ny varotra, Olga Ramalason, tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana dia ho laharampahamehan’ny departemanta tantaniny ny famatsiana vary amin’izao fidirana amin’ny maitso ahitra izao.

 Nanatanteraka dinikasa niaraka tamin’ireo mpandraharaha mpanafatra vary indrindra ramatoa minisitra omaly. Nanome toky ireo mpandraharaha ny tenany fa tsy hitsabaka amin’ny fanafarana vary mihitsy saingy manantena fiaraha-miasa kosa anefa. Noho ny tsy fahampian’ny voka-bary eto an-toerana dia tsy afa miala amin’ny fanafarana isika isan-taona. Latsaka 10% ka hatramin’ny 12% raha oharina tamin’ny taon-dasa ny voka-bary tamin’ity taona ity noho ny tsy fahampian’ny orana araka ny nambaran’ny filohan’ny vovonana misahana ny lalampihariana vary, Andriambololonirina Rakotovao nandritra ny fihaonana.

Vary akotry dimy tapitrisa taonina mantsy vao ampy ho an’ny Malagasy raha efatra tapitrisa taonina ny vokatra miakatra. Nahavelom-bolo ireo mpandraharaha am-polony, araka izany, ny fanafarana fotsimbary roa alina taonina avy any Birmania izay andrasana mialoha ny fetin’ny Krismasy izao mba hamatsiana ny tsenan’Antananarivo sy ireo tanàn-dehibe hafa mialoha ny faran’ny taona. «Tena mety io fanapahan-kevitra io satria tsy afaka mametraka tahiry ahafahana mitazona ny vidim-bary izahay mpandraharaha noho ny vola be ilaina amin’izany», hoy hatrany Atoa Andry Rakotovao nisolotena ireo mpandraharaha namany.

Nangatahan’ireto farany koa ankoatra izay ny hampitomboana ny isan’ny orinasa misahana ny fanapariahana ireo vary roa alina taonina ireo fa tsy tantanina mpandraharaha iray ihany akory. Samy manana ny faritra iasany mantsy ny orinasa tsirairay avy. Fotoana ihany koa io fivoriana io nampahafantarana ny minisitra fa tsy mbola voaloan’ny fanjakana ny volan’izy ireo. Nangatahan’ny fitondram-panjakana hamarotra vary fatiantoka amin’ny vidiny 1180 Ar ny sasany amin’izy ireo kanefa 1250Ar ny masokarena mba hanetsemana ny tsy fahampian’ny vary teto an-drenivohitra. Volana maro aty aoriana anefa mbola sasa-miandry ireo mpandraharaha nandray anjara tamin’izany. Farany dia nangataka tamin’ny minisitra koa ry zareo mba handresy lahatra ny orinasa mpamoaka entana ao Toamasina izany hoe ny MICTSL hanafaingana ny fotoana lany amin’ny fampandalovana ny vary amin’ny fitarafana “scanner”. Tara hatrany amin’ny andro vitsivitsy eny hatramin’ny herinandro mihitsy moa ny fitsinjarana ny vary noho io antony io.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT