Mitsivalana tanteraka amin’ny hamerenan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita, famatsiam-bola ny fanjakana Amerikanina.
Amin’i Etazonia mantsy dia tsy ara-dalàna ny fitondrana misy eto Madagasikara izay tarihana mpanongam-panjakana, nanosihosy ny demokrasia sy ny safidim-bahoaka. Valin-kafatra mazava ho an’ireo rehetra miasa mangiana, any ambadika any mba handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena hanome vola ny fanjakana malagasy izany. Mazava be mantsy ny resaka fa efa tena manify ny vola eo am-pelatanana ka mety tsy hisy intsony afaka enim-bolana, any ho any, koa izay no mampikorapaka ireo mpitondra ambony mitaky paika sy tetika hahazoana famatsiam-bola. Tamin’ity herinandro ity, ohatra dia fantatra, araka ny tatitra nataon’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto amintsika fa tonga tany Bruxelles i Marius Fransman mba handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena sy ny rafitra misy ao aminy, anisan’izany ny Banky Iraisam-pirenena, mba hamerina tsikelikely ny fanampiany an’i Madagasikara.
Misy amin’ireo firenena na fikambanana iraisam-pirenena sasany, mety mieritreritra fa rehefa voatendry ny praiminisitra Omer Beriziky, nitarina ny isan’ny mpikambana ao amin’ny CT sy ny CST, dia efa tafajoro izany ilay tetezamita iaraha-mitantana ambaran’ny tondrozotra, koa dia afaka averina tsikelikely ny fanampiana. Ny Amerikanina kosa anefa dia mahita sy mahatsapa fa mbola manjaka eto ny fanapahan-kevitry ny ankolafy tokana, dia ny ankolafy Rajoelina izany, ary tena tsy mbola voahaja ny demokrasia, ny fahafahana miteny, ary voahosihosy ny zon’olombelona. Mety mahafantatra zava-miafina amin’ny paika ratsin’ny firenen-kafa mba hanohanana ny mpanongam-panjakana, ihany koa ny Amerikanina ka izay no mahatonga azy ireo tsy mankasitraka, aloha, ny fanomezana vola izao fitondrana tetezamita, malaza amin’ny gaboraraka izao.
Matanjaka eo amin’io sehatra iraisam-pirenena io, ny Amerikanina ary tokotany filalaovany izany Banky Iraisam-pirenena izany. Kelikely ihany ny finoana fa hiverina ato ho ato ny famatsiam-bola, fa sombintsombiny tena kely ihany no mety ho azo. Hanampiana ny traboina ohatra, na hanohanana ny tetikasa momba ny rano fisotro madio sy ny ady amin’ny VIH Sida. Ny tsara homarihana koa anefa dia mampitovy tadin-dokanga ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ary manaraka rafitra sy fifampitondrana mazava tsara, ka rehefa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena no milaza fa tsy mety ny hanomezana fanampiana ara-bola firenena iray, dia tsy manome koa ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena hafa, mihidy tanteraka izany ny “robinet”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.